bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 21
Revelation 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 22 →
1
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy nisy intsony.
2
Ary hitako ny tanàna masina, dia i Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny.
3
Ary nandre feo mahery avy teo amin’ny sezafiandrianana aho niteny hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona! Ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra mihitsy no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.
4
Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; tsy hisy fahafatesana intsony sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
5
Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty, fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.
6
Ary hoy koa Izy tamiko: Vita! Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho no hanome maimaimpoana avy amin’ny loharanon’aina ho an’izay mangetaheta.
7
Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ho Andriamaniny Aho ary izy ho zanako.
8
Fa ny osa, ny tsy mino, ny vetaveta, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara. Izany no fahafatesana faharoa.
9
Ary tonga ny iray tamin’ny anjely fito izay nitana ny lovia fito, dia ireo nitondra ny loza fito farany. Hoy izy tamiko hoe: Avia atỳ, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry.
10
Ary nitondra ahy tamin’ny Fanahy ho any an-tendrombohitra iray sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia i Jerosalema, midina avy tamin’Andriamanitra any an-danitra.
11
Manana ny voninahitr’Andriamanitra izy; ny famirapiratany dia tahaka ny vatosoa tena sarobidy, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato kristaly.
12
Manana manda lehibe sady avo sy vavahady roa amby folo izy, ary eo amin’ny vavahady dia misy anjely roa amby folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an’ny foko roa amby folo amin’ny Zanak’Israely:
13
Eo atsinanana, vavahady telo; eo avaratra, vavahady telo; eo atsimo, vavahady telo; eo andrefana, vavahady telo.
14
Ny mandan’ny tanàna dia misy fanorenana roa amby folo ary misy anarana roa amby folo koa eo, dia ny an’ny Apostoly roa amby folon’ny Zanak’ondry.
15
Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany.
16
Ny tanàna dia efamira, koa mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin’ny volotara izy ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony.
17
Ary nandrefy ny mandany izy ka efatra amby efapolo amby zato hakiho, araka ny refin’ny olona, dia ny an’ny anjely.
18
Ny mandany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio.
19
Ny fanorenan’ny mandan’ny tanàna dia voaravaka vatosoa samihafa rehetra. Ny fanorenana voalohany dia jaspy, ny faharoa dia safira, ny fahatelo dia kalkedoana, ny fahefatra dia emeraoda,
20
ny fahadimy dia sardoniksa, ny fahenina dia karneola, ny fahafito dia krizolita, ny fahavalo dia berila, ny fahasivy dia topaza, ny fahafolo dia krizopraso, ny fahiraika amby folo dia hiakinta, ny faharoa amby folo dia ametista.
21
Ny vavahady roa amby folo dia perila roa amby folo; perila iray ny vavahady tsirairay; ny lalambe teo an-tanàna dia volamena tsy miharo, toy ny fitaratra manganohano.
22
Tsy nahita tempoly teo aho, fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ondry no tempoliny.
23
Ary ny tanàna dia tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy ary ny Zanak’ondry no fanazavana azy.
24
Ary ny firenena maro no handeha amin’ny fahazavany; ary ny mpanjakan’ny tany dia samy hitondra ny voninahiny ho ao anatiny.
25
Ary ny vavahadiny dia tsy harindrina akory amin’ny andro, fa tsy mba hisy alina ao.
26
Ary ny voninahitra sy ny hajan’ny firenena maro dia hoentina ao anatiny.
27
Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana izay an’ny Zanak’ondry ihany.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22