bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 9
Revelation 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 10 →
1
Ary nitsoka ny trompetra ny anjely fahadimy, dia hitako fa indro nisy kintana iray avy tany an-danitra latsaka tamin’ny tany, ary nomena ilay anjely ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa.
2
Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy dia nisy setroka niakatra avy tamin’ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin’ny lafaoro lehibe ka tonga maizina ny masoandro sy ny rivotra noho ny setroka avy tao amin’ny lavaka.
3
Ary nisy valala nivoaka avy tao amin’ny setroka ka nankany amin’ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin’ny maingoka amin’ny tany.
4
Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin’ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany.
5
Nefa tsy navela hahafaty azy izy fa ny hampanaintaina azy dimy volana; ary ny fanaintainana avy aminy dia tahaka ny fanaintainana avy amin’ny maingoka mamely olona.
6
Amin’izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona nefa tsy hahita. Haniry ho faty izy nefa handositra azy ny fahafatesana.
7
Ny fijery ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana hoenti-miady. Tamin’ny lohany dia nisy satroboninahitra toy ny volamena ary ny tavany dia tahaka ny tavan’olona.
8
Nanana volo tahaka ny volom-behivavy izy ary ny nifiny dia tahaka ny an’ny liona.
9
Nanana fiarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy fitondra miady entin’ny soavaly betsaka miriotra ho amin’ny ady.
10
Manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary ao amin’ny rambony no misy ny heriny hampahoriany ny olona dimy volana.
11
Ary manana ny anjelin’ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin’ny teny hebreo dia Abadona, fa amin’ny teny grika kosa dia Apoliona, na Mpandringana.
12
Lasa ny loza iray. Indreo ny loza roa hafa koa ho avy aorianan’izao.
13
Nitsoka ny anjely fahenina. Dia nahare feo avy teo amin’ny tandroky ny alitara volamena izay eo anatrehan’Andriamanitra, aho;
14
niteny tamin’ny anjely fahenina izay nanana ny trompetra izy hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.
15
Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin’ny ora, ny andro, ny volana ary ny taona, mba hahafaty ny ampahatelon’ny olona.
16
Ny isan’ny miaramila an-tsoavaly dia roanjato tapitrisa. Nandre ny isany aho.
17
Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin’ny fahitana sy izay nitaingina azy: Manana fiarovan-tratra mena mivaivay sy manga antitra ary mavo toy ny solifara izy; ny lohan’ny soavaly dia tahaka ny lohan’ny liona; misy afo sy setroka ary solifara mivoaka avy amin’ny vavany.
18
Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka avy tamin’ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon’ny olona.
19
Fa ny herin’ny soavaly dia eo amin’ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady misy lohany maro, koa ireny no entiny mampahory.
20
Nefa ny olona sisa izay tsy matin’ireo loza ireo, dia tsy nibebaka niala tamin’ny asan’ny tanany; tsy nitsahatra nivavaka tamin’ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahita, na mahare, na afa-mamindra, izy;
21
tsy nibebaka tamin’ny namonoany olona izy, na tamin’ny nanaovany ody ratsy, na tamin’ny fijangajangany, na tamin’ny halatra nataony.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22