bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 14
Revelation 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 15 →
1
Ary hitako fa indro, ny Zanak’ondry dia nitsangana teo amin’ny tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny.
2
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
3
Ary mihira toa tononkira vaovao eo anoloan’ny sezafiandrianana sy eo anatrehan’ny zavamananaina efatra sy ny loholona izy. Tsy nisy afaka nianatra izany tononkira izany, afa-tsy ny efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ny tany.
4
Ireo no tsy voaloto tamin’ny vehivavy, fa virijiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.
5
Tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
6
Ary hitako fa indro, nisy anjely iray hafa koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana Filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena, ny fokom-pirenena, ny samihafa fiteny ary ny olom-pirenena rehetra,
7
niteny tamin’ny feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany; miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano!
8
Ary nisy iray hafa koa, dia anjely faharoa, nanaraka azy ka niteny hoe: Rava! Rava i Babilona lehibe izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany!
9
Ary nisy iray hafa koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka niteny tamin’ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ny handriny na amin’ny tanany,
10
dia izy koa no hisotro ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ny kapoaky ny fahatezerany, tsy mitampoka, miharoharo zavatra, sady hampijaliana amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry izy!
11
Ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay ary tsy manana fitsaharana, na andro na alina, izay miankohoka eo anoloan’ny bibidia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.
12
Indro ny faharetan’ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy.
13
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho niteny hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo, hatramin’izao! Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy.
14
Ary indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak’Olona nipetraka teo ambonin’ny rahona. Nisatroka satroboninahitra volamena Izy sady nitana antsimbary maranitra teny an-tanany.
15
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ny tempoly, niantso tamin’ny feo mahery ka niteny tamin’Ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona hoe: Arosoy ny antsimbarinao ka mijinjà! Satria tonga ny andro fijinjana fa efa masaka ny vokatry ny tany.
16
Dia naroson’Ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona tamin’ny tany ny antsimbariny ka voajinja ny tany.
17
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa dia nitana antsimbary maranitra.
18
Nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin’ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ny afo izy; niantso ilay nanana ny antsimbary maranitra tamin’ny feo mahery izy hoe: Arosoy ny antsimbarinao maranitra ka angony ny sampahom-boaloboka eo amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
19
Ary naroson’ilay anjely tamin’ny tany ny antsimbariny dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ny famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra.
20
Ary nohitsakitsahina teny ivelan’ny tanàna ny famiazam-boaloboka ary avy tao amin’ny famiazam-boaloboka dia nisy ra nahadifotra hatramin’ny lamboridin-tsoavaly ka tonga hatramin’ny eninjato sy arivo stadio.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22