bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 18
Revelation 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 19 →
1
Rehefa afaka izany dia hitako fa indro, nisy anjely iray koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany dia nohazavain’ny voninahiny.
2
Ary niantso tamin’ny feo mahery izy hoe: Rava! Rava i Babilona lehibe! Tonga fonenan’ny demonia sy fieren’ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina izy.
3
Fa tamin’ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan’ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan’ny tany dia nijangajanga taminy, ary ny mpivaro-mandeha amin’ny tany dia tonga mpanankarena noho ny fanaranam-pony tamin’ny fiainam-ben-dRavehivavy.
4
Ary nandre feo iray hafa koa avy tany an-danitra aho niteny hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
5
Fa ny fahotany dia nitehika hatrany amin’ny lanitra, ary Andriamanitra dia nahatsiaro ny ratsy nataony.
6
Mamalia azy araka izay nataony ka omeo indroa heny toy ny nataony izy! Ny kapoaka izay nofenoiny dia fenoy indroa heny ho azy.
7
Toraka izay niderany tena sy nanaranany fo tamin’ny harembe, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;
8
koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy. Fa mahery ny Tompo Andriamanitra izay nitsara azy.
9
Ary ny mpanjakan’ny tany izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin’ny fiainam-be, dia hiteha-tratra sy hitomany azy rehefa mahita ny setroky ny fandoroana azy.
10
Hijanona eny lavitra eny izy ireny noho ny fahatahorana ny fanaintainana manjo azy ka hiteny hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe! Ry Babilona, tanàna mafy! Fa tamin’ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao!
11
Ary ny mpivaro-mandeha amin’ny tany dia hitomany sy hisaona azy satria tsy hisy mpividy intsony ny entany,
12
dia entana volamena, volafotsy, vatosoa, perila, rongony fotsy madinika, lamba volomparasy, landy, jaky, hazo mani-pofona, ny fanaka ivoara rehetra mbamin’ny fanaka rehetra amin’ny hazo sarobidy indrindra, varahina, vy ary marbra,
13
kanelina, zavatra mani-pofona, ditin-kazo, menaka manitra, ditin-kazo mani-pofona, divay, diloilo, lafarinina tsara toto, varimbazaha, omby, ondry, soavaly, kalesy ary tena sy ain’olona.
14
Ny vokatra soa nirinao dia efa niala taminao; ny zava-tsoa rehetra sy ny zava-malaza rehetra dia efa levona tsy ho anao ary tsy ho hita intsony mandrakizay ireo.
15
Ny mpivaro-mandeha izay tonga mpanankarena tamin’izany dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainana manjo azy ka hitomany sy hisaona
16
ary hiteny hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe izay nitafy lamba rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vatosoa ary perila!
17
Fa tamin’ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany! Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny ambonin’ny ranomasina sy ny tantsambo ary izay rehetra manao raharaha any an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny
18
ary rehefa nahita ny setroky ny fandoroana azy dia niantsoantso hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany?
19
Ary nanipy vovoka hiraraka tamin’ny lohany izy dia niantsoantso sady nitomany sy nisaona ka niteny hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe izay nampanankarena izay rehetra manan-tsambo eny amin’ny ranomasina noho ny zava-tsarobidy tao aminy! Fa tamin’ny ora iray monja no nahafoana izany!
20
Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olona masina, sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany! Fa Andriamanitra efa nitsara azy ka nanome rariny anareo.
21
Ary nisy anjely mahery iray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka niteny hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an’i Babilona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.
22
Ary ny feon’ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony. Ary ny mpahay taozavatra rehetra, na inona na inona sokajiny, dia tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon’ny vato fikosoham-bary dia tsy ho re eo aminao intsony;
23
ary ny fahazavan’ny jiro dia tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina dia tsy ho re eo aminao intsony satria ny mpivaro-mandeha teo aminao no lehiben’ny tany ary ny ody ratsinao no noentinao namitaka ny firenena rehetra;
24
tao anatin’ny tanàna no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina ary izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22