bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 17
Revelation 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 18 →
1
Ary tonga ny anjely iray tamin’izy fito izay nitana ny lovia fito dia niteny tamiko hoe: Avia atỳ, dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe izay mipetraka eny ambonin’ny ranobe.
2
Taminy no nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany sady nahamamo ny mponina tamin’ny tany tamin’ny divain’ny fijangajangany.
3
Dia noentiny tamin’ny Fanahy ho any an-tany efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibidia mivolon-jaky, feno anarana miteny ratsy sady nanana loha fito sy tandroka folo.
4
Ary Ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vatosoa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tanany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany.
5
Nisy anarana voasoratra teo amin’ny handriny hoe: Zavamiafina, Babilona lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany.
6
Ary hitako fa indro, Ravehivavy dia mamon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny vavolombelon’i Jesosy. Koa raha nahita azy aho dia gaga indrindra.
7
Hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zavamiafina ny amin-dRavehivavy sy ny bibidia mitondra azy izay manana loha fito sy tandroka folo.
8
Ny bibidia, ilay hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao. Hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka lasa ho any amin’ny fandringanana. Ary ny monina ambonin’ny tany, dia izay tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.
9
Indro ny saina izay misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dRavehivavy.
10
Mpanjaka fito koa ireo: Efa lavo ny dimy fa ny iray dia mbola eo ihany, ary ny iray koa dia mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy dia tsy maintsy mitoetra kelikely.
11
Ary ny bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman’ny fito maha valo azy ka lasa ho any amin’ny fandringanana.
12
Ary ny tandroka folo izay hitanao dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana fa mandray fahefana ho toa mpanjaka izy ireo, ora iray monja, miaraka amin’ny bibidia.
13
Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibidia.
14
Ireo dia hiady amin’ny Zanak’ondry, ary ny Zanak’ondry dia haharesy azy, satria Tompon’ny tompo Izy ary Mpanjakan’ny mpanjaka, ary handresy azy koa izay momba Azy, dia olona voaantso sy voafidy ary mahatoky.
15
Ary hoy izy tamiko: Ny rano hitanao izay ipetrahan’ilay vehivavy janga, dia olona, vahoaka betsaka, ary firenena maro ary samihafa fiteny.
16
Ny tandroka folo sy ny bibidia izay hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hanao azy ho tsinontsinona sy hampitanjaka azy, hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.
17
Fa Andriamanitra nanome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia, mandra-pahatanteraka ny tenin’Andriamanitra.
18
Ary Ravehivavy, ilay hitanao, dia ny tanàna lehibe, izay manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22