bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 20
Revelation 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 21 →
1
Ary hitako fa indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe teny an-tanany.
2
Nosamboriny ilay dragona, dia ilay menarana tranainy, dia ny devoly sy i Satana ka nafatony arivo taona.
3
Nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka nohidiny izany, dia nasiany tombo-kase teo amboniny mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitra ny arivo taona. Rehefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
4
Ary nahita sezafiandrianana maro aho. Nisy nipetraka teo amboniny ary nomena fahefana hitsara izy ireo. Hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny fanambaràna an’i Jesosy sy ny tenin’Andriamanitra, ary izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibidia na teo anoloan’ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ny handriny na ho eo amin’ny tanany. Velona indray izy ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.
5
Fa ny sisa amin’ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitra ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
6
Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany! Ireo dia tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka Aminy arivo taona.
7
Ary rehefa tapitra ny arivo taona dia hovahana i Satana ho afaka ao amin’ny tranomaizina nitoerany
8
ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ny vazan-tany efatra, dia i Goga sy i Magoga, mba hamory azy ho amin’ny ady. Tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
9
Ary niakatra namakivaky ny tany manontolo izy dia nanodidina ny tobin’ny olona masina sy ny tanàna malala. Nisy afo anefa nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.
10
Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijaliana andro aman’alina mandrakizay mandrakizay ireo.
11
Ary hitako fa indro, nisy sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany sy ny lanitra dia nandositra Azy ka tsy nisy toerana ho azy intsony.
12
Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana. Nisy boky maromaro novelarina; ary nisy boky iray hafa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany. Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra tao anatin’ny boky, araka ny asany.
13
Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny. Ary ny fahafatesana sy ny fitoeran’ny maty dia namoaka ny maty tao aminy, ary samy notsaraina araka ny asany izy.
14
Ary ny fahafatesana sy ny fitoeran’ny maty dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.
15
Ary raha nisy tsy hita voasoratra tao anatin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22