bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 3
Revelation 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 4 →
1
Ary soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty.
2
Miambena ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay mila ho faty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro.
3
Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao dia ho avy toy ny mpangalatra Aho ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao.
4
Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo satria mendrika izy.
5
Izay mandresy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa ary tsy hamono velively ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana Aho fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny.
6
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra!
7
Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy misy mamoha:
8
Fantatro ny asanao; indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao ka tsy misy maharindrina azy; fa na dia kely aza ny herinao dia nitandrina ny teniko ianao ary tsy mba nandà ny anarako.
9
Indro, alaiko ny sasany amin’ny sinagogan’i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy fa mandainga. Indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo ka ho fantany fa Izaho dia tia anao.
10
Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andron’ny fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany.
11
Ho avy haingana Aho. Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
12
Izay mandresy dia hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro ary tsy hiala tao intsony izy. Hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
13
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra.
14
Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny Fiangonana any Laodikia: Izao no lazain’ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina izay niandohan’izao zavatra noharin’Andriamanitra izao:
15
Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao. Aleo mangatsiaka na mafana ianao!
16
Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka dia mila haloan’ny vavako ianao.
17
Fa hoy ianao: Manankarena sady nihary fananana be aho ka tsy misy na inona na inona mahory ahy, kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory, mahantra, malahelo, jamba ary mitanjaka;
18
koa manoro hevitra anao Aho hividy Amiko volamena voadio tamin’ny afo mba hanankarena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary ody maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.
19
Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; koa mazotoa ianao ka mibebaha!
20
Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna. Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy Amiko.
21
Izay mandresy dia havelako hiara-mipetraka Amiko eo ambonin’ny sezafiandrianako, tahaka ny nandreseko sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny sezafiandrianany.
22
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra!
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22