bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 5
Revelation 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 6 →
1
Ary hitako fa indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voahidy mafy tamin’ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana.
2
Ary hitako fa indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
3
Tsy nisy anefa tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
4
Dia nitomany mafy aho satria tsy nisy hita mendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
5
Hoy anefa ny iray tamin’ny loholona tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny Solofon’i Davida, no efa nandresy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.
6
Ary hitako fa indro, teo afovoan’ny sezafiandrianana sy ny zavamananaina efatra ary teo afovoan’ny loholona dia nisy Zanak’ondry nitsangana tahaka ny efa voavono. Nanana tandroka fito sy maso fito Izy, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina hankany amin’ny tany rehetra.
7
Tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana.
8
Rehefa nandray ny boky Izy dia niankohoka teo anatrehan’ny Zanak’ondry ny zavamananaina efatra sy ny loholona efatra amby roapolo, ary samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia ny vavaka ataon’ny olona masina izany.
9
Nihira tononkira vaovao izy hoe: Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; satria voavono Ianao, ary ny ranao no nanavotanao olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra, ny samihafa fiteny, ny olona ary ny firenena rehetra, ho an’Andriamanitra;
10
nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo ary hanjaka ambonin’ny tany izy.
11
Ary nahita aho, sady nandre feon’anjely maro manodidina ny sezafiandrianana sy ny zavamananaina ary ny loholona ary ny isany dia alinalina sy arivoarivo.
12
Niteny tamin’ny feo mahery izy hoe: Ny Zanak’ondry izay novonoina dia mendrika handray ny hery, ny harena, ny fahendrena, ny faherezana, ny haja, ny voninahitra ary ny saotra.
13
Ary ny zavaboahary rehetra, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ny tany sy any ambanin’ny tany, na izay eny ambonin’ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, dia reko samy niteny hoe: Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny saotra, ny haja, ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay!
14
Ary ny zavamananaina efatra dia niteny hoe: Amena! Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22