bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 2
Revelation 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 3 →
1
Soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efesosy: Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tanany havanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeran-jiro volamena fito:
2
Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fiaretanao sy ny tsy fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao dia efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy.
3
Manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.
4
Kanefa manan-teny aminao Aho satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao.
5
Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo dia mibebaha ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fitoeran-jironao hiala amin’ny toerany raha tsy mibebaka ianao.
6
Kanefa izao no toetranao: Halanao ny asan’ny Nikolaìta izay halako koa.
7
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Izay mandresy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra.
8
Ary soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Smirna: Izao no lazain’ny Voalohany sy ny Farany izay efa maty nefa velona indray:
9
Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, nefa manankarena ianao, ary ny fitenenan-dratsy ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy fa sinagogan’i Satana.
10
Aza matahotra izay hiaretanao. Indro, ny devoly dia hanipy ny sasany aminareo ho ao an-tranomaizina mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.
11
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Izay mandresy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa.
12
Ary soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain’Ilay manana ny sabatra roa lela maranitra:
13
Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny itoeran’ny sezafiandrianan’i Satana. Mitana mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy vavolombeloko aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’izay onenan’i Satana.
14
Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitana ny fampianaran’i Balama, ilay nanome fo an’i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ny Zanak’Israely, hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga.
15
Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitana ny fampianaran’ny Nikolaìta tahaka ny an’ireny.
16
Koa mibebaha; fa raha tsy izany dia ho avy aminao haingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako.
17
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Izay mandresy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’izany vato izany dia misy anaram-baovao voasoratra izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany.
18
Ary soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Tiatira: Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:
19
Fantatro ny asanao, ny fitiavanao, ny finoanao, ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia maro noho ny voalohany.
20
Kanefa manan-teny aminao Aho satria ianao dia mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ny sampy.
21
Nomeko andro hibebahany izy nefa tsy mety mibebaka amin’ny fijangajangany izy.
22
Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ny fahoriana lehibe raha tsy mibebaka amin’ny asan-dRavehivavy izy.
23
Hovonoiko amin’ny areti-mandringana ny zanany; ary ny Fiangonana rehetra dia hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.
24
Fa aminareo izay sisa any Tiatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ireo hoe sain-dalin’i Satana, dia izao no lazaiko: Tsy hovesarako entana hafa ianareo.
25
Kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-piaviko.
26
Ary izay mandresy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny Jentilisa.
27
Hiandry azy amin’ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, araka izay noraisiko tamin’ny Raiko.
28
Ary homeko azy ny kintana fitarikandro.
29
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra!
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22