bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 8
Revelation 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 9 →
1
Rehefa novahany ny tombo-kase fahafito dia nangina tokony ho antsasaky ny ora iray ny tany an-danitra.
2
Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra; nomena trompetra fito ireo.
3
Ary nisy anjely iray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ny alitara; nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra izy. Nomena ditin-kazo manitra betsaka izy mba hatolony izany miaraka amin’ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin’ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ny sezafiandrianana.
4
Ary ny setroky ny ditin-kazo manitra mbamin’ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tanan’ny anjely ho eo anatrehan’Andriamanitra.
5
Ary ny anjely dia nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra ary nameno azy tamin’ny afo teo amin’ny alitara ka nanipy izany tamin’ny tany ary nisy kotrokorana, feo, tselatra ary horohoron-tany.
6
Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
7
Nitsoka ny voalohany, dia nisy havandra sy afo miharoharo ra ka nararaka tamin’ny tany izany; ary may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
8
Nitsoka ny anjely faharoa dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina. Tonga ra ny ampahatelon’ny ranomasina
9
ka maty ny ampahatelon’ny zavamananaina tao an-dranomasina ary potika ny ampahatelon’ny sambo.
10
Nitsoka ny anjely fahatelo dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo nilatsaka avy tany an-danitra. Latsaka tamin’ny ampahatelon’ny ony sy tamin’ny loharano izany.
11
Ny anaran’ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano ary maro ny olona no matin’ny rano satria nangidy izany.
12
Nitsoka ny anjely fahefatra dia nokapohina ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, mba ho maizina ny ampahatelony ka tsy hazava ny ampahatelon’ny andro ary ho toy izany koa ny alina.
13
Dia hitako sy reko, nisy voromahery iray nanidina teny afovoan’ny lanitra, izay niteny tamin’ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza no hanjo an’izay monina eny ambonin’ny tany noho ny feon’ny trompetra izay mbola hotsofin’ny anjely telo!
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22