bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 11
Revelation 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 12 →
1
Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna ka refeso ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara ary isao izay mivavaka ao.
2
Fa ny kianja eo ivelan’ny tempoly dia avelao fa aza refesina fa nomena ny Jentilisa izany; hanitsakitsaka ny tanàna masina roa amby efapolo volana izy.
3
Ary homeko hery ny vavolombeloko roa ka haminany enimpolo sy roanjato sy arivo andro izy sady hitafy lamba fisaonana.
4
Ireo ny hazo oliva roa sy ny fitoeran-jiro roa, izay mijoro eo anatrehan’ny Tompon’ny tany.
5
Ary raha misy ta handratra ireo dia misy afo mivoaka amin’ny vavany ka mandany ny fahavalony. Eny, raha misy ta handratra ireo dia toy izany no tsy maintsy hamonoana azy.
6
Izy ireo dia manana fahefana handrindrina ny lanitra mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro aminaniany; ary manana fahefana amin’ny rano koa izy hampody azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
7
Ary rehefa tanteraka ny fanambaràny dia hiady aminy ilay bibidia miakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
8
Ary ny fatiny dia hiampatra eny an-dalambe amin’ny tanàna lehibe, izay adika araka ny hevi-panahy hoe Sodoma sy Ejipta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin’ny hazofijaliana.
9
Ary ny olom-pirenena, ny fokom-pirenena, ny samihafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny telo andro sy tapany; ary tsy avelany halevina am-pasana ny fatiny.
10
Ary ny mponina ambonin’ny tany dia mifaly azy ka hiravoravo, ary hifanatitra fanomezana izy satria nampangirifiry ny mponina ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo.
11
Ary rehefa afaka ny telo andro sy tapany dia nisy fanahin’aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo dia nijoro tamin’ny tongony izy ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.
12
Ary nandre feo mahery avy tany an-danitra izy roa lahy niteny taminy hoe: Miakara atỳ! Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ny rahona ireo, ary nahita azy ny fahavalony.
13
Tamin’izany ora izany dia nisy horohoron-tany mafy ka rava ny ampahafolon’ny tanàna ary maty tamin’izany horohoron-tany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an’Andriamanitry ny lanitra.
14
Lasa ny loza faharoa. Indro, avy haingana ny loza fahatelo.
15
Ary nitsoka ny anjely fahafito dia nisy feo mafy tany an-danitra niteny hoe: Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy!
16
Ary ny loholona efatra amby roapolo izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianany eo anatrehan’Andriamanitra, dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka tamin’Andriamanitra
17
hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha satria nasehonao ny herinao lehibe ka nampiorina ny fanjakanao Ianao.
18
Tezitra ny firenena maro nefa tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana hitsarana ny maty, hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.
19
Ary novohana ny tempolin’Andriamanitra any an-danitra ka niseho tao anatin’ny tempoliny ny vata misy ny fanekeny; ary nisy tselatra, feo, kotrokorana, horohoron-tany ary havandra vaventy.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22