bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 6
Revelation 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 7 →
1
Ary nijery aho, rehefa novahan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombo-kase fito, ary reko ny iray tamin’ny zavamananaina efatra niteny tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana hoe: Avia!
2
Ary hitako fa indro, nisy soavaly fotsy. Izay nitaingina azy dia nitondra tsipìka; ary nomena satroboninahitra izy; dia niainga izy ka nandresy ary mba handresy.
3
Rehefa novahany ny tombo-kase faharoa dia reko ny zavamananaina faharoa niteny hoe: Avia!
4
Dia nisy soavaly hafa mena kosa niseho. Izay nitaingina azy dia nasaina nanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
5
Rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo dia reko ny zavamananaina fahatelo niteny hoe: Avia! Ary hitako fa indro, nisy soavaly mainty. Izay nitaingina azy dia nitondra mizana teny an-tanany.
6
Ary nandre toy ny feo teo afovoan’ny zavamananaina efatra aho niteny hoe: Denaria iray ny varimbazaha eran’ny fatambary kely ary denaria iray koa ny varimbazaha hafa intelon’ny fatambary; fa ny diloilo na ny divay dia aza simbànao!
7
Rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra dia reko ny feon’ny zavamananaina fahefatra niteny hoe: Avia!
8
Ary hitako fa indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny fitoeran’ny maty no niaraka taminy. Nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ny sabatra, ny mosary, ny areti-mandringana ary ny bibidia etỳ an-tany.
9
Rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy dia hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin’izay voavono noho ny tenin’Andriamanitra sy ny teny vavolombelona izay nohazoniny.
10
Ary niantso tamin’ny feo mahery izy ireo hoe: Tompo masina sy marina ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy tsy hamalianao ny ranay amin’izay monina eny ambonin’ny tany?
11
Dia samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitra ny mpanompo namany sy ny rahalahiny izay hovonoina tahaka azy koa.
12
Ary hitako, fa rehefa novahany ny tombo-kase fahenina dia nisy horohoron-tany mafy; tonga mainty tahaka ny lamba volon’osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny volana.
13
Ary ny kintana teny amin’ny lanitra dia niraraka tamin’ny tany toy ny aviavy manintsana ny voany manta raha hozongozonin’ny rivotra mahery izy.
14
Dia nisinda tahaka ny boky nahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin’ny toerany.
15
Ary ny mpanjakan’ny tany, ny lehibe, ny mpifehy arivo, ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin’ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tany amin’ny lava-bato sy tany amin’ny vatolampy eny an-tendrombohitra.
16
Ary hoy izy tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry;
17
fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo, koa iza no hahajanona?
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22