bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 12
Revelation 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 13 →
1
Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ny tongony ary misy satroboninahitra kintana roa amby folo amin’ny lohany.
2
Bevohoka izy ary mihetsi-jaza ka mitaraina satria marary fatratra efa hiteraka.
3
Nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra ka indro, nisy dragona mena lehibe manana loha fito sy tandroka folo ary misy diadema fito amin’ny lohany.
4
Ny rambony dia nanala ny ampahatelon’ny kintana amin’ny lanitra ka nanjera ireny ho amin’ny tany. Ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany raha vao teraka.
5
Ary niteraka zazalahy izy, ary hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by izy io. Novonjena haingana ny zanany ka nakarina ho any amin’Andriamanitra, any amin’ny sezafiandrianany.
6
Ravehivavy kosa dia nandositra nankany an-tany efitra, izay efa nisy toerany namboarin’Andriamanitra mba hovelomina any enimpolo sy roanjato sy arivo andro izy.
7
Ary nisy ady tany an-danitra: I Mikaela sy ny anjeliny dia niady tamin’ilay dragona. Ary niady ilay dragona mbamin’ny anjeliny,
8
nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy intsony tany an-danitra.
9
Ary nazera ilay dragona lehibe, dia ilay menarana tranainy, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; nazera tamin’ny tany izy ary ny anjeliny koa dia niaraka nazera taminy.
10
Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho niteny hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan’Andriamanitsika ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman’alina.
11
Izy ireo kosa dia naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nanambaràny Azy ary tsy nankamamy ny ainy izy na dia ho faty aza.
12
Noho izany dia mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina any! Fa loza ho an’ny tany sy ny ranomasina kosa! Fa nidina ho any aminareo ny devoly amin’ny fahatezerana lehibe satria fantany fa kely sisa ny androny!
13
Rehefa hitan’ilay dragona fa nazera tamin’ny tany izy dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.
14
Ary ilay vehivavy dia nomena ny elatra roa an’ny voromahery lehibe mba hanidinany ho any an-tany efitra, ho any amin’ny toerany izay hamelomana azy fetrandro iray sy fetrandro roa ary antsasaky ny fetrandro, mba tsy ho hitan’ilay menarana izy.
15
Ary ilay menarana dia namoaka rano tamin’ny vavany, toy ny ony, hanaraka an-dRavehivavy, mba hindaosin’ny ony izy.
16
Nefa ny tany dia namonjy an-dRavehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny ony izay navoakan’ny dragona tamin’ny vavany.
17
Dia tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny fanambaràna an’i Jesosy.
18
Ary ilay dragona dia nitsangana teo amin’ny fasiky ny ranomasina.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22