bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 16
Revelation 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 17 →
1
Ary nandre feo mahery avy tao amin’ny tempoly aho niteny tamin’ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin’ny tany ny ao amin’ny lovia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra.
2
Ary nandeha ny voalohany dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny tany. Dia nisy vay ratsy sady mampanaintaina tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny bibidia sy niankohoka teo anatrehan’ny sariny.
3
Ary ny faharoa dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny ranomasina. Dia nody ra tahaka ny ran’olona efa maty ny ranomasina ary maty ny zavamananaina rehetra tao aminy.
4
Ary ny fahatelo dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny ony sy ny loharano. Dia nody ra ireny.
5
Ary nandre ny anjelin’ny rano aho niteny hoe: Marina Ianao, Ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria nitsara toy izany Ianao.
6
Satria ny ran’ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, koa ra no nomenao hosotroiny; tandrify azy izany.
7
Ary reko ny alitara niteny hoe: Eny, Tompo, Andriamanitra Tsitoha ô, marina sady mahitsy ny fitsaranao.
8
Ary ny fahefatra dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny masoandro. Nasaina nandoro ny olona tamin’ny afo izy
9
ka main’ny hafanana be ny olona. Dia niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra izay manana fahefana amin’ireny loza ireny, izy, sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
10
Ary ny fahadimy dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny sezafiandrianan’ilay bibidia. Dia tonga maizina ny fanjakany ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana;
11
niteny ratsy an’Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin’ny asany.
12
Ary ny fahenina dia nampidina ny tao an-doviany tao amin’i Eofrata, ony lehibe. Dia ritra ny ranony, mba hanamboarana ny lalan’ireny mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro ireny.
13
Ary hitako fa indreo, fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ny vavan’ilay dragona sy tamin’ny vavan’ilay bibidia ary tamin’ny vavan’ilay mpaminany sandoka.
14
Fa fanahin’ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra manerana izao tontolo izao, mba hamory azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha!
15
Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy ka ho hita ny fahamenarany!
16
Ary novoriny ho any amin’ny toerana atao amin’ny teny hebreo hoe Haramagedona ireny.
17
Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny rivotra. Dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ny tempoly, avy teo amin’ny sezafiandrianana, niteny hoe: Vita!
18
Dia nisy tselatra sy feo ary kotrokorana; nisy koa horohoron-tany mafy izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’olona tetỳ ambonin’ny tany, eny, tsy mbola nisy horohoron-tany mafy sy lehibe toy izany.
19
Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko ary rava ny tanànan’ny firenena maro; ary i Babilona lehibe dia notsarovana teo anatrehan’Andriamanitra mba homena azy ny kapoaky ny divain’ny firehetan’ny fahatezerany.
20
Nandositra ny nosy rehetra ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.
21
Nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra teo amin’ny olona, milanja tokony ho talenta iray avy; ary niteny ratsy an’Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22