bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 10
Revelation 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 11 →
1
Ary hitako fa indro, nisy anjely mahery iray koa nidina avy tany an-danitra sady nitafy rahona; nisy avana teo ambonin’ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro ary ny tongony dia tahaka ny andry afo.
2
Nitana boky kely nivelatra teny an-tanany izy. Nabahany ny tongony, koa ny havanana dia nataony teo ambonin’ny ranomasina ary ny havia dia tamin’ny tany;
3
ary niantso tamin’ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ny liona. Nony niantso izy dia nandefa ny feony ny kotrokorana fito.
4
Ary rehefa nandefa ny feony ny kotrokorana fito dia handeha hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho hoe: Asio tombo-kase izay notononin’ny kotrokorana fito fa aza soratana.
5
Ary ny anjely, ilay hitako nitsangana teo ambonin’ny ranomasina sy teo ambonin’ny tany, dia nanangana ny tanany havanana ho amin’ny lanitra
6
ka nianiana tamin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy, ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy, fa tsy hisy fotoana andrasana intsony,
7
fa amin’ny andro hitsofan’ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zavamiafina izay an’Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin’ny mpaminany mpanompony.
8
Ary ilay feo izay reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tanan’ny anjely mitsangana eo ambonin’ny ranomasina sy eo ambonin’ny tany.
9
Dia nanatona an’ilay anjely aho ka niteny taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Hoy izy tamiko: Raiso ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.
10
Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan’ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha mbola teo am-bavako izy dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko dia nangidy ny kiboko.
11
Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin’ny olona maro, ny firenena maro, ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22