bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 1
Deuteronomy 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 2 →
1
Ireto avy no lahateny nataon’i Mosesy tamin’ny Israelita rehetra, fony ireo mbola tsy niampita ny ony Jôrdàna. Tanatin’ny taniefitr’i Harabà, teo akaikin’i Sofa, ny Israelita tamin’izay, dia tanelanelan’i Paràna an-kilany ary Tôfela sy Labàna mbamin’i Hatserôta sy Dizahaba an-daniny.
2
(Lalana 11 andro i Kadesy-Barnea raha miala ny tendrombohitra Hôreba ka mihazo ny lalana mankany amin’ny tendrombohitra Sehîra).
3
Tamin’ny taona fahefapolo nialana an’i Ejipta, nony andro voalohan’ny volana faha-11, dia niteny tamin’ny Israelita i Mosesy, araka izay rehetra nodidian’ny TOMPO holazainy aminy.
4
Taorian’ny nandresen’i Mosesy an’i Sihôna, ilay mpanjakan’ny Amôrita sady nonina tao Hesbôna, sy taorian’ny nandreseny tao Edrehỳ an’i Hôga, ilay mpanjakan’i Basàna sady nonina tao Hastarôta, no nitrangan’izany.
5
Tany an-dafy atsinanan’i Jôrdàna, tao amin’ny faritr’i Môaba, no nanomboka nanazava ny lalànan’Andriamanitra i Mosesy ka nanao hoe:
6
–Fony teo amin’ny tendrombohitra Hôreba isika, dia nitenenan’ny TOMPO Andriamanitsika hoe: «Ela izay nitoeranareo teto amin’ity tendrombohitra ity izay.
7
Mihodîna ianareo, ary mandehana mankany amin’ny tendrombohitra fonenan’ny Amôrita; mandehana mankany amin’ny faritra manodidina fonenan’ny Kanahanita, dia ny lemak’i Harabà, ny faritra havoana, ny lemak’i Sefelà, ny Negeba, mbamin’ny moron-tsiraka; mandehana mankany Libano ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
8
Indro efa natolotro eo anoloanareo io tany io; idiro ka alao ho fanananareo izany fa efa nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo mba homena azy sy ny taranany mandimby azy.»
9
Izaho Mosesy, tamin’izany andro izany, dia niteny taminareo hoe: «Tsy zakako samirery ny mitondra anareo.
10
Efa nahamaro anareo ny TOMPO Andriamanitrareo, ka indro ankehitriny efa maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ianareo.
11
Ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nampanantenainy anareo!
12
Kanefa hataoko ahoana no fitondra samirery ny olanareo sy ny fitakianareo ary ny adiadinareo?
13
Koa tolory lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra eo amin’ny fokonareo aho, dia hataoko ho lehibenareo izy.»
14
Ary namaly ahy ianareo ka nanao hoe: «Tsara izany soso-kevitra arosonao hotanterahina izany.»
15
Dia nalaiko ny lohandohan’ny fokonareo, dia lehilahy hendry sady hita toetra, ka notendreko ho lehibenareo; tao ny mpifehy arivo sy mpifehy zato mbamin’ny mpifehy dimampolo sy mpifehy folo, ary tao ny mpandraharaha amin’ny fokonareo.
16
Tamin’izay koa aho no namoaka didy ho an’ny mpitsaranareo ka nanao hoe: «Henoy ny fifanolanan’ny mpiray firenena aminareo, ka tsarao ara-drariny izany, na ho azy samy Israelita, na ho an’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo aminy.
17
Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana, fa henoy na ny kely na ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’Andriamanitra ny fitsarana.»
18
Eny, tamin’izay aho no efa namoaka didy ho anareo ny amin’ny zavatra rehetra tokony hataonareo.
19
Dia niala tany Hôreba isika, araka ny nandidian’ny TOMPO Andriamanitsika; ary nandeha isika namaky ilay taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay hitanareo teny an-dalana mankany amin’ny faritra havoana onenan’ny Amôrita. Rehefa mby tao Kadesy-Barnea isika,
20
dia hoy aho taminareo; «Efa tonga eto amin’ny faritra havoana onenan’ny Amôrita ianareo, faritra izay omen’ny TOMPO Andriamanitsika ho antsika.
21
Indro ataon’ny TOMPO Andriamanitrareo eo anoloanareo izany tany izany; iakaro izy ka alao ho fanananareo, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo. Aza matahotra na mivadi-po akory!»
22
Dia nohatoninareo rehetra aho ka nilazanareo hoe: «Aoka isika haniraka olona hialoha antsika mba hisafo ny tany; dia hanao tatitra ho antsika ireo ka hilaza ny lalana tokony hiakarantsika sy ny tanàna izay hivantanantsika.»
23
Sitrako izany teny izany, ka dia nifidy 12 lahy teo aminareo aho, iray avy isam-poko.
24
Ary niainga ireo ka niakatra ny faritra havoana, dia tonga tao amin’ny hadilalana Eskôla ary nisafo azy.
25
Nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika; ary izao no tatitra nataony ho antsika: «Soa ny tany omen’ny TOMPO Andriamanitsika ho antsika.»
26
Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin’ny TOMPO Andriamanitrareo.
27
Nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: «Noho isika halan’ny TOMPO no nitondrany antsika hiala tany Ejipta. Te hanolotra antsika eo an-tanan’ny Amôrita Izy mba handringanana antsika.
28
Aiza ity hiakarantsika? Mpiray firenena amintsika no efa nanaketraka ny fontsika tamin’ny nanaovany hoe: Vaventy sy ranjanana noho isika ny olona monina ao; ny tanàna dia lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay tao aza ny taranak’i Hanàka!»
29
Dia hoy aho taminareo: «Aza manahy, ary aza matahotra azy!
30
Ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay mandeha eo alohanareo, no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo teo imasonareo tany Ejipta
31
sy tatỳ an-taniefitra; efa hitanareo fa nentin’ny TOMPO Andriamanitrareo tahaka ny fitòndran’ny olona ny zanany ianareo, tany amin’ny lalana rehetra nalehanareo, mandra-pahatonganareo amin’ity toerana ity.»
32
Ary, tamin’izany toe-javatra izany, dia tsy ninoanareo ny TOMPO Andriamanitrareo.
33
Kanefa Izy no nandeha teo alohanareo teny an-dalana mba hitady toerana hitobianareo; ka ny afo nony alina ary ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.
34
Ren’ny TOMPO ny fimonomononanareo ka tezitra Izy sady nianiana hoe:
35
«Tsy hisy mihitsy amin’ireto olona ratsy fanahy ireto hahita ilay tany soa nianianako homena ny razany.
36
Tsy hisy hahita azy afa-tsy i Kaleba, zanakalahin’i Jefone; ary dia izy sy ireo zanany no homeko ny faritany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tanteraka Ahy TOMPO i Kaleba.»
37
Ianareo ihany koa no nitezeran’ny TOMPO ahy, ka nanaovany hoe: «Ianao koa tsy hiditra amin’io tany io;
38
fa i Josoa mpanomponao, i Josoa zanakalahin’i Nona, no hiditra any. Koa ampaherezo izy, fa izy no hampahazo ny Israelita izany tany izany.
39
Ny zanakareo nolazainareo fa ho babom-pahavalo, eny, ny zanakareo tsy mbola mahay manavaka izay tsara sy ratsy amin’izao andro izao, dia ireo no hiditra izany tany izany, ireo no homeko azy, ireo no hanana azy.
40
Ianareo kosa, miverena ka mizora mankany an-taniefitra mihazo ny lalana ho any amin’ny Ranomasin’ny Volotara.»
41
Ho setrin’izany kosa dia hoy ianareo tamiko: «Efa nanota tamin’ny TOMPO izahay! Hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO Andriamanitray anay.» Dia samy nivonona tamin’ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho mora ny hananika izany faritra havoana izany.
42
Fa hoy ny TOMPO tamiko: «Ilazao ireo mba tsy hiakatra ary tsy hiady, satria tsy eo afovoany Aho, ka aoka izy tsy hanao izay handresen’ny fahavalony azy!»
43
Dia niteny taminareo aho fa tsy nohenoinareo; nolavinareo ny tenin’ny TOMPO, ary nanao sahisahy ianareo ka nananika iny faritra havoana iny.
44
Kanjo niainga hiady aminareo ny Amôrita izay nonina tamin’izany faritra havoana izany, dia nandresy anareo tao Sehîra ka tahaka ny andian-drenitantely ireo no nanenjika anareo hatrany Hôrmà.
45
Dia niverina ianareo, ka nitomany teo anatrehan’ny TOMPO; nefa tsy nihaino ny feonareo IZY na nanongilan-tsofina taminareo.
46
Ary nitoetra ela tao Kadesy-Barnea ianareo, araka izay fotoana tokony ho nitoeranareo tao.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34