bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 32
Deuteronomy 32
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 33 →
1
Mihainoa, ry lanitra fa hiteny aho; ny tany mandrenesa ny lazain’ny vavako.
2
Ny anatro anie hitosaka toy ny orana, dia toy ny oram-batravatra amin’ny vilona; ny teniko anie hirotsaka toy ny ando, dia toy ny erikerika amin’ny ahi-maitso.
3
Miantso ny anaran’ny Tompo aho; ry Israelita, ekeo fa lehibe ny Andriamanitsika!
4
Ny TOMPO no Vatolampy: lavorary ny asany; ny sori-dàlany rehetra rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, tsy misy ratsy eo aminy: marina sy mahitsy Izy.
5
Nanjary simba ianareo, ka tsy zanany intsony fa feno tsiny; taranaka melo-tsaina sady mpivadibadika.
6
Moa izany no tokony ho navalinareo ny TOMPO, ry vahoaka adala, tsy misy fahendrena? Moa tsy Izy no Rainareo, ka fananany ianareo? Tsy Izy ve no nanao sy nampiorina anareo?
7
Tsarovy ny andro fahiny, saino ny taona fahagola. Anontanio ny rainareo sy loholonareo fa hanambara sy hitantara aminareo.
8
Raha nanome zaratany an’ireo firenena ilay Avo ka nampiely ny taranak’olombelona, dia nozarazarainy am-paritany ireny araka ny isan’ireo anjely:
9
Anjaran’ny TOMPO kosa ilay vahoakany; ny taranak’i Jakôba no natokany ho fananany.
10
Tany an-taniefitra no nanangonany azy, dia tany amin’ny tany foana misy bibidia mierona. Koa nokarakarainy izy, nokolokoloiny, notandremany tahaka ny anakandriamasony.
11
Mova Izy tsy ny voromahery mitaona ny zanany hisidina ka manaitaitra azy eo ambonin’ny akaniny. ary mamelatra ny elany handraisany ny reraka mba hitondrana azy eo ambonin’ny elany?
12
Ny TOMPO irery no nitarika ny vahoakany; tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.
13
Nakariny teo an-tendron-kavoan’ilay tany izy, nampihinaniny ny vokatry ny saha, nampitsentsefiny tantely teny an-tsefatsefa-bato, sy nomeny menaka avy amin’ny faritra vatoana;
14
novokisany mena-drononon’omby, sy rononon’ondry aman’osy izy, nofahanany henan-janakondry sy ondrilahy matavy aman’osilahy ary notolorany vary tsara indrindra sy ranom-boaloboka ho divay fisotro.
15
Koa nihinana ny taranak’i Jakôba, ka voky; nihanatavy i Jesoròna, ka namely daka. Eny, tonga natavy izy, vory nofo sy dongadonga ka nandao an’Andriamanitra Izay nanao azy ary nanamavo an’ilay Vatolampy famonjena azy.
16
Andriamani-kafa no nampitoviny lanja tamin’ny Tompo, zava-maharikoriko no naniratsirany Azy;
17
ny nanolorany sorona dia lolo izay tsy andriamanitra akory sady andriamanitra tsy fantany, andriamani-baovao niseho tatỳ aoriana sady tsy nohajain’ny razany.
18
«Tsy raharahainao, ry Israely, ilay Vatolampy niteraka anao; hadinonao ilay Andriamanitra nahitanao masoandro.»
19
Hitan’ny TOMPO ka nampisafoaka Azy ny zanany izay naniratsira Azy;
20
dia hoy Izy hoe: «Hanafenako tava ireo, dia ho hitako izay hiafarany fa taranaka mpivadibadika sy zaza tsy mahatoky.
21
Ireo no nampitovy lanja Ahy tamin’andriamani-tsiizy sy naniratsira Ahy tamin’ny sampy tsinontsinona. Izaho kosa hampitovy lanja azy amin’izay tsy vahoaka akory; firenena adala no hampanaratsiako azy.
22
Nirehitra ny afon’ny fahatezerako ka nandoro ny toeran’ny maty, hatrany amin’ny farany ambany sy nandevona ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy ary nampirehitra ny fanambanin’ny tendrombohitra. HEAVEN-THE DWELLING PLACE OF GOD NY LANITRA-TOERAM-PONENAN’ANDRIAMANITRA THE WATER ABOVE THE VAULT NY RANO AMBONIN’NY HABAKABAKA VAULT OF HEAVEN NY HABAKABAKA ANDOHALAMBON’NY LANITRA EARTH NY TANY Pillars of the sky (2) Andry fanorenan’ny lanitra (2) Pillars of the earth (3) Andry fanorenan’ny tany (3) Sheol Toeran’ny maty The Abyss of waters (2) Ranolalimbe Early conception of the universe Fiheverana fahagola ny amin’ny firafitr’izao tontolo izao (Deôterônômy 32.22) [NEB 148]
23
Havangongoko amin’ny Israelita ny loza ary holanîko aminy ny zana-tsipîkako;
24
hofezahin’ny mosary ireo sady holevon’ny tazo sy ny areti-mandripaka; ary halefako hamely azy ny biby masiaka mbamin’ny bibilava misy poizina.
25
Eny ivelany, dia ny sabatra no handringana; ao an-trano, dia ny tahotra no hahafaty. Ka samy hiharan’izany avokoa na zatovolahy na zatovovavy na zazakely na beantitra.»
26
«Nokasaiko haparitaka ireo ka ho foana eo amin’ny olombelona ny fahatsiarovana azy,
27
raha tsy ny fahavalo hirehaka no natahorako; mety diso hevitra manko ny mpandrafy azy ka hiteny hoe: ‹Ny tananay no nahery, fa tsy ny TOMPO velively no nanao izany.›
28
Firenena tsy misaina i Israely sady tsy manam-pahalalana.
29
Raha mba hendry ireo dia ho nahalala izao sy ho nahafantatra ny hiafarany:
30
Fahavalo iraika lahy ve hahenjika Israelita arivo? Fahavalo roa lahy ve hampandositra Israelita iray alina? Eny, raha Izaho TOMPO, ilay Vatolampy ianteherany, no efa nanolotra azy ho eo am-pelatanan’ny fahavalony.
31
Na ny fahavalony aza no mitsara, dia miaiky fa tsy mitovy amin’ilay Vatolampy ianteheran’i Israely ny vatolampy izay mba ianteherany.
32
Tahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra ihany ireo fahavalon’i Israely: tahom-boaloboka mamokatra voaloboka mahafaty sy sampaho mangidy.
33
Ny divainy dia toy ny zava-mahafaty avy amin’ny dragona ary toy ny poizina mahery avy amin’ny menarana.
34
Voatahiry ato amiko izany nafitsok’ireo izany sady voaisy tombokase ato an-trano firaketako:
35
Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana raha avy izay hahasolafaka ny tongony fa antomotra ny andro hahitany loza ary ho avy faingana ny anjara voatendry ho azy.»
36
Eny, homen’ny TOMPO rariny tokoa ny vahoakany rehefa hitany fa lany hery; hohasoaviny indray ireo manompo Azy rehefa hitany fa tsy misy ianteherany intsony.
37
Amin’izay i Israely hitenenan’ny Tompo hoe: «Aiza ireo andriamani-kafa nataonareo ho vatolampy fialofana?
38
Ireo no nihinana ny sabora soronareo sy nisotro ny divay fanatitrareo. Aoka ireo hitsangana hamonjy anareo ary ho fierena ho anareo!
39
Fantaro ankehitriny fa Izaho ihany no Andriamanitra ary tsy misy andriamani-kafa miolotra amiko: Izaho no mahafaty sy mahavelona, Izaho no maharatra sy mahasitrana, ary tsy misy mahafaka olona eo am-pelatanako.
40
Manangan-tanana amin’ny lanitra Aho, ka mianiana hoe: ‹Velona mandrakizay Aho,
41
ka horanitiko hanelatselatra ny sabatro, harangarangan’ny tanako ny famaizana, dia hovaliako ny mpandrafy Ahy ary hampanodiaviko ny mpankahala Ahy ny ataony.
42
Hataoko vonton-dra ny zana-tsipîkako, dia ny ran’ireo voavono sy voababo; hotrebotrebonin’ny sabatro ny nofo mbamin’ny loha lavavolon’ny fahavalo›!»
43
Ry hafa firenena, hobio ilay vahoakan’Andriamanitra! Fa valian’ny TOMPO ny nahafatesan’ny mpanompony; eny, valiany tokoa ireo mpandrafy Azy, ary avotany kosa ny taniny mbamin’ny vahoakany.
44
I Mosesy dia niaraka tamin’i Josoa, zanakalahin’i Nona, no tonga nilaza manontolo ho ren’ny vahoaka izany tononkira izany.
45
Nony tapitra voalazany avokoa tamin’ny Israelita rehetra ireo teny ireo,
46
dia hoy i Mosesy taminy: –Araiketo ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako hiampangana anareo anio; didio ny taranakareo mba himasoany hotanterahina ny teny rehetra raketin’ity Lalàna ity.
47
Tsy zava-poana ho anareo izany fa fiainanareo; izany teny izany no hahamaro andro anareo any amin’ny tany izay efa halainareo ho fananana, rehefa tafita an’i Jôrdàna ianareo.
48
Androtrizay koa no nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe:
49
–Mankanesa ianao amin’itsy tandavan-tendrombohitra Habarîma itsy, izay ao amin’ny faritany Môaba, tandrifin’i Jerikao, dia miakara eo an-tampon’ny tendrombohitra Nebao: ary tazano ny tany Kanahàna izay omeko ny Israelita ho fananany.
50
Dia aoka ianao ho faty eo an-tampon’io tendrombohitra hiakaranao io ka ho voaangona any amin’ny razanao, tahaka ny nahafatesan’i Aharôna rahalahinao tany an-tampon’ny tendrombohitra Hôra sy nanangonana azy tany amin’ny razany.
51
Ianao sy i Aharôna manko dia diso tamiko teo anatrehan’ny Israelita, teo amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, tao an-taniefitra Tsina; tamin’izay no tsy nanehoanareo ny fahamasinako teo anatrehan’ny Israelita.
52
Eny, avy lavitra no hitazananao ny tany izay omeko ny Israelita, kanefa tsy hiditra ao ianao.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34