bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 34
Deuteronomy 34
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
1
Dia niainga avy teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy ka niakatra nankany amin’ny tendrombohitra Nebao, eo an-tampon’i Pisgà, izay tandrifin’i Jerikao. Ary nasehon’ny TOMPO azy avokoa ilay tany: dia ny faritr’i Gilehada tafapaka hatrany Dana;
2
ny faritr’i Naftalỳ manontolo; ny tanin-dry i Efraîma sy i Manase; ny tanin’i Joda manontolo tafapaka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea;
3
ny faritr’i Negeba; ary, ao amin’ny lohasahan’i Jôrdàna, ny faritanin’i Jerikao (tanàna be rofia), faritany izay tafapaka hatrany Tsôhara.
4
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Io tany io no nampanantenaiko ombàm-pianianana tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, fony ireo nilazako hoe: «Homeko ny taranakareo ity tany ity.» Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy ho tafita eny.
5
Teo no nahafatesan’i Mosesy, ilay mpanompon’ny TOMPO, dia teo amin’ny tany Môaba araka ny tenin’ny TOMPO.
6
Ary nalevin’Andriamanitra teo an-dohasaha, tao amin’ny tany Môaba, tandrifin’i Bety-Pehôra izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
7
Efa 120 taona i Mosesy no maty; ary tsy pahina ny masony na nihena ny heriny.
8
Nitomanian’ny Israelita teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy, nandritra ny telopolo andro nanatontosana ny fisaonana azy.
9
I Josoa, zanakalahin’i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.
10
Teo amin’i Israely, dia tsy mba nisy intsony mpaminany tahaka an’i Mosesy, izay fantatry ny TOMPO nifanatrika.
11
Tsy manan-tsahala i Mosesy satria izy no nirahin’ny TOMPO tany Ejipta hanao famantarana sy zava-mahagaga isan-karazany teo anatrehan’ny Farao sy ny tandapany ary ny taniny manontolo;
12
ary tanana ombàn-kery no nanaovan’i Mosesy an’ireny zavatra goavana sy mampahatahotra isan-karazany ireny, teo imason’ny Israelita rehetra.
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34