bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 4
Deuteronomy 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 5 →
1
Ary hoy indray i Mosesy hoe: «Ankehitriny, ry Israelita, henoy ny lalàna amam-pitsipika izay ampianariko anareo hotanterahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy hanana ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anareo.
2
Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo ary aza anesorana; fa tandremo ny didin’ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo.
3
Efa nahita maso izay nataon’ny TOMPO noho ny amin’ilay Bahala tao Pehôra ianareo; fa ny olona rehetra nanompo an’io Bahala io taminareo, dia naringan’ny TOMPO Andriamanitrareo tsy ho eo aminareo intsony.
4
Fa ianareo nifikitra tamin’ny TOMPO Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
5
«Araka izay nandidian’ny TOMPO Andriamanitro ahy, indro ianareo efa nampianariko lalàna amam-pitsipika hotanterahinareo any amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.»
6
Koa tandremo sy tanteraho izany, fa hiheverana anareo ho hendry sy manan-tsaina eo imason’ny firenen-kafa; handre ireny lalàna rehetra ireny mantsy izy ka ho loa-bolana hoe: «Mba vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!»
7
Fa aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha akaiky antsika ny TOMPO Andriamanitsika, Izay mamaly isaky ny antsoina?
8
Ary aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana didy amam-pitsipika marina tahaka izao fehezan-dalàna arosoko eo anoloanareo anio izao?
9
Kanefa kosa mitandrema ianareo ka miambena tena fandrao hanadino ny zavatra efa hitanareo maso na hamela izany hiala tao am-ponareo, amin’ny andro rehetra hiainanareo; fa ampahafantaro ny zanakareo aman-jafinareo izany.
10
Aza hadinoinareo ny zavatra hitanareo maso tamin’ny andro nijoroanareo teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo tany an-tendrombohitra Hôreba, fony ny TOMPO nilaza tamiko hoe: «Avondrony ho eto amiko ny vahoaka israelita, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hanajany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.»
11
Dia nanatona ianareo ka nijoro teo am-bodin’ny tendrombohitra; nirehitra afo manaka-danitra kosa ilay tendrombohitra sady rakotra setroka mikitroka sy rahona matevina.
12
Ary tao anatin’ny afo ny TOMPO no niteny taminareo, ka nandre Azy niteny ianareo fa tsy nahita endrika Azy akory; feo no hany renareo.
13
Dia nambarany taminareo ny fanekempihavanany, izay nodidiany harahinareo, dia ny didy folo; ary nosoratany teo amin’ny takela-bato anankiroa ireo.
14
Tamin’izany andro izany no nandidian’ny TOMPO ahy koa hampianatra anareo lalàna amam-pitsipika mba hotanterahinareo any amin’ny tany izay efa hiampitanareo mba halainareo ho fananana.
15
Noho ianareo tsy nahita endrika ny TOMPO fony Izy niteny tao anaty afo taminareo tany an-tendrombohitra Hôreba, dia mitandrema tena tokoa ianareo.
16
Mitandrema fandrao hihasimba toetra ianareo ka hanao sarin-javatra voasokitra ho sampinareo, dia izay sarin-javatra rehetra miendrika andriamanitra, na sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
17
na sarim-biby miaina etỳ ambonin’ny tany, na sarim-borona manidina eny amin’ny habakabaka,
18
na sarim-biby mikisaka amin’ny tany, na sarin-trondro mivelona anaty rano any ambany any.
19
Mitandrema fandrao hiandrandra hijery ny habakabaka ianareo ka hahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana mbamin’ny planeta rehetra eny ana habakabaka, dia ho voataona hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanompo azy; fa navelan’ny TOMPO Andriamanitrareo ho anjaran’ny firenen-kafa rehetra eto amin’izao tontolo izao ireny fanompoan-tsampy ireny.
20
Ianareo kosa dia nalain’ny TOMPO ka nentiny niala avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, izany hoe avy tany Ejipta, mba ho vahoaka voatokana ho azy tahaka ny amin’izao anio izao.
21
Ary tezitra tamiko ny TOMPO noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an’i Jôrdàna aho, na hiditra any amin’ny tany soa izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.
22
Ho faty amin’ity faritany ity aho fa tsy hita an’i Jôrdàna; ianareo kosa no hita azy ka hanana izany tany soa izany.
23
Mitandrema ianareo fandrao manadino ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo, ka manao sarin-javatra voasokitra ho sampinareo, araka ny endriky ny zavatra rehetra izay efa nandraran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.
24
Fa afo mandevona tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo; eny, Andriamanitra saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Azy Izy.
25
Rehefa ela hitoerana eo amin’ilay tany ianareo ka hiteraka sy ho loa-jafy, dia aza mihasimba toetra ka hanao sarin-javatra voasokitra ho sampinareo araka ireo endri-javatra isan-karazany ireo, na hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ka hampahatezitra Azy.
26
Raha manao izany ianareo, dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio no manambara fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ny tany izay efa hiampitanareo an’i Jôrdàna mba halainareo ho fananana; tsy ho maro andro honenana eo ianareo, fa haringana tokoa.
27
Haelin’ny TOMPO any amin’ny firenen-tsamy hafa ianareo; ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ny TOMPO anareo.
28
Asan-tanan’olombelona no andriamanitra hotompoinareo any, dia vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mihinana na manimbolo.
29
Kanefa any ianareo no hitady an’ilay TOMPO Andriamanitrareo ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.
30
Rehefa hiharan’ireo zavatra rehetra voalazako ireo ianareo any am-parany any ka hozoim-pahoriana, dia hiverina amin’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hihaino indray ny feony;
31
fa Andriamanitra mamindrafo ilay TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hahafoy anareo na handringana tanteraka anareo na hanadino ny fanekempihavanana izay efa nianianany tamin’ny razambenareo.
32
Diniho ange ny andro fahagola talohanareo, manomboka hatreo amin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olombelona tetỳ ambonin’ny tany. Saintsaino ange ny zava-mitranga manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny. Moa efa nisy zava-dehibe niseho na re tahaka izany ve?
33
Moa efa nisy ve firenena nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao anatin’ny afo, tahaka ny efa renareo ka mbola velona ihany?
34
Moa efa nisy ve andriamanitra sampy nanandrana nanafaka firenena anankiray teo an-tanan’ny firenen-kafa mba hatokany ho azy, ka nampiasa fizahan-toetra sy famantarana ary zava-mahagaga sy ady ombàn’ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ary fampatahorana goavana? Tsia, kanefa teo imasoanareo indrindra no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany rehetra izany ho anareo tany Ejipta.
35
Ianareo no nampahitany an’izany mba hahafantaranareo fa ny TOMPO no Andriamanitra, sady tsy misy afa-tsy Izy.
36
Avy tany an- danitra no nampandrenesany anareo ny feony hananarany anareo, ary teto ambonin’ny tany no nanehoany anareo ny afony lehibe; ka tao anatin’izany afo izany no nandrenesanareo Azy niteny.
37
Noho ny TOMPO tia ireo razambenareo sady nifidy anareo taranaka amam-parany, dia Izy mihitsy no nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nomba anareo tamin-kery lehibe;
38
avy eo Izy dia nandroaka teo anoloanareo firenena maro izay lehibe sy matanjaka noho ianareo, mba hampidirany anareo amin’ny taniny sy hanomezany izany ho fanananareo, tahaka ny amin’izao anio izao.
39
Koa aoka hoekenareo anio sy haraikitrareo ao am-ponareo fa ny TOMPO no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, sady tsy misy afa-tsy Izy.
40
Dia tandremo ny lalànany sy ny didiny izay ampitaiko aminareo anio, mba hahita soa ianareo sy ny taranaka amam-paranareo ary mba ho maro andro ianareo any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin’ny taona rehetra.
41
Tamin’izany i Mosesy dia nanokana tanàna telo tany andafy atsinanan’i Jôrdàna
42
mba handosiran’izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha. Ho velona izany mpamono olona izany, raha mandositra ao amin’ny anankiray amin’ireo tanàna ireo:
43
dia i Betsera, eo amin’ny lembalemba any an-taniefitra, ho an’ny Reobenita; i Ramôta any Gilehada, ho an’ny Gadita; ary i Gôlàna any Basàna, ho an’ny Manasita.
44
Izao no lalàna naroson’i Mosesy tamin’ny Israelita.
45
Ireto no baiko sy lalàna amam-pitsipika izay nambaran’i Mosesy taminy, fony ireo tafavoaka an’i Ejipta
46
ka tody tany andafy atsinanan’ny ony Jôrdàna; teo an-dohasaha tandrifin’i Bety-Pehôra ny Israelita tamin’izay, tao amin’ny tanin’i Sihôna izay mpanjaka amôrita nonina tao Hesbôna. Nony tafavoaka an’i Ejipta i Mosesy sy ny Israelita, dia nandresy an’i Sihôna
47
ka nahazo ny taniny mbamin’ny tanin’i Hôga mpanjakan’i Basàna. I Sihôna sy i Hôga no mpanjaka amôrita anankiroa tamin’iny andafy atsinanan’i Jôrdàna iny.
48
Ny tany azon’ny Israelita kosa dia manomboka any Harôhera, izay ao amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna, ka miafara any amin’ny tendrombohitra Siôny na hoe Hermôna,
49
ary mahafaoka ny faritany Harabà manontolo atsinanan’i Jôrdàna ka tafapaka hatrany amin’ny Ranomasina Maty eo am-bodin’ny tendrombohitra Pisgà.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34