bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 17
Deuteronomy 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 18 →
1
Aza atao sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny omby sy ondry aman’osy izay misy kilema maharatsy azy, satria fanimbazimbana an’ilay TOMPO Andriamanitrareo ny manao izany.
2
Ao amin’ny tanàna izay homen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia mety hisy lehilahy na vehivavy hita manao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ka mivadika ny fanekempihavanana nataony.
3
Lasa izany olona izany manompo andriamani-kafa ary miankohoka aminy na amin’ny masoandro na amin’ny volana na amin’ny kintana, nefa zavatra efa norarana tsy hataonareo ireny.
4
Raha voatatitra aminareo izany toe-javatra izany ka renareo, dia fotopotory tsara; koa raha misy marina tokoa sady natao teo amin’i Israely izany fanimbazimbana izany,
5
dia avoahy ho eo am-bavahadin’ny tanànanareo izay lehilahy na vehivavy nahavita izany zava-dratsy izany ka torahy vato ho faty.
6
Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ny vavolombelona iray monja dia tsy ampy hamonoana azy.
7
Ny tanan’ireo vavolombelona no hiainga voalohany hamono azy, vao ny tanan’ny vahoaka rehetra. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.
8
Mety misy raharaha sarotra loatra ho an’ny fitsarana ao an-tanànanareo ka tsy efanareo, na momba ny vonoan’olona izany na ady ifanolanana na fandratrana olona na zavatra hafa ifandirana. Raha mitranga izany, dia hiainga ianareo ka hiakatra any amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo.
9
Hanatona an’ireo Levita mpisorona sy ilay mpitsara tompon-draharaha ianareo ka hanontany azy, dia hambarany aminareo ny didim-pitsarana.
10
Ary hampiharinareo io didim-pitsarana hambara aminareo eo amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO io ka himasoanareo ny hanao araka izay rehetra hatorony anareo.
11
Eny, araka ny torolalana homeny anareo sy araka ny fomba fitsarana holazainy aminareo no hataonareo; aza mivily miala amin’izany didim-pitsarana hambarany aminareo izany ianareo, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.
12
Fa hovonoin-ko faty kosa ny olona entim-piavonavonana ka tsy mihaino an’ireo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo na tsy mihaino an’ilay mpitsara. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivon’i Israely.
13
Ary handre izany ny vahoaka rehetra, dia hatahotra ka tsy hoentim-piavonavonana toy izany intsony.
14
Rahatrizay ianareo tafiditra ao amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ka hahazo azy ho fanananareo sy honina eo, dia mety haniry hanangana mpanjaka hifehy anareo, tahaka ny ataon’ny firenena rehetra manodidina anareo.
15
Koa izay mpanjaka hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo ihany no tena hatsanganareo hifehy anareo; eo anivon’ny mpiray firenena aminareo no hangalanareo mpanjaka izay hatsanganareo hifehy anareo, fa tsy azonareo ekena hifehy anareo ny olona vahiny izay tsy mpiray firenena aminareo.
16
Kanefa aoka ny mpanjakanareo tsy hanana soavaly maro na handefa olona handevozina any Ejipta indray mba hahazoany soavaly maro, satria ny TOMPO efa niteny taminareo hoe: «Aza miverina amin’izany lalam-panandevozana izany intsony!»
17
Aoka ny mpanjakanareo tsy hampirafy, fandrao hivily ny fony, ary aoka izy tsy hangorona volafotsy na volamena be ho azy.
18
Rehefa tafapetraka eo amin’ny seza fiandrianana ilay mpanjakanareo, dia aoka hosoratany ho boky anankiray ho azy ny dikan’izao lalàna izao ka hataony araka ilay tahirizin’ireo Levita mpisorona.
19
Ary ho eo aminy hatrany izany sady hovakîny mandritra ny andro rehetra iainany mba hianarany hanaja ny TOMPO Andriamaniny ka himasoany hanatanteraka ny teny sy didy rehetra raketin’izao lalàna izao.
20
Izany no tsy hireharehany ho ambonin’ireo mpiray firenena aminy ary tsy hiviliany hiala amin’ny didy, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, ka ho maro andro hanjakàna izy sy ny taranany eo anivon’i Israely.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34