bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 22
Deuteronomy 22
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 23 →
1
Raha hitanareo mania ny omby na osy na ondrin’ny mpiray firenena aminareo, dia tsy hialanareo fotsiny izany fa hoentinareo miverin-doha any amin’ny tompony mihitsy.
2
Raha tsy akaiky anareo ilay tompony na tsy fantatrareo, dia hoentinareo mody eny aminareo ny biby nania ary hitoetra eo aminareo mandra-pitadin’ny tompony azy; ka amin’izay vao haverinareo aminy.
3
Toy izany koa no hataonareo amin’ny boriky na fitafiana na zavatra hafa verin’ny mpiray firenena aminareo ka hitanareo; fa tsy hialanareo fotsiny izany.
4
Raha hitanareo potraka eny an-dalana ny boriky na ombin’ny mpiray firenena aminareo, dia tsy hialanareo fotsiny izany fa hampianareo hanarina azy ny tompony.
5
Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy, ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa zavatra mahatsiravina eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ny fanaovana izany.
6
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanareo eny an-dalana ianareo, na ambony hazo na amy tany, ka misy vorona efa foy ombàn-dreniny na atody mbola kotrehiny, dia aoka ny zanany tsy halainareo miaraka amin’ny reniny.
7
Halefanareo mihitsy ny reniny fa ny zanany ihany no halainareo ho anareo, mba hahita soa sy ho maro andro ianareo.
8
Raha manao trano vaovao ianareo, dia hasianareo aro-fanina manodidina ny tampon-tranonareo; fandrao hisy olona hianjera avy eny ka tsy ny tranonareo no hizaka ny andraikitra amin’ny fahafatesan’ilay olona.
9
Aza amafazana voan-javatra hafa karazana ny tanimboalobokareo, fandrao samy hanjary voatokana ho an’Andriamanitra na ny vokatry ny voan-javatra nafafinareo na ny vokatry ny tanimboalobokareo.
10
Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany anareo;
11
aza mitafy lamba volon’ondry izay rongony ny fahany.
12
Hasianareo sahondrany ny zorony efatra amin’ny lamba firakofanareo.
13
Mety hisy lehilahy mampaka-bady ary miray aminy. Avy eo dia tsy tiany indray ravehivavy,
14
ka haratsiany sy alàny baràka hoe: «Efa nampakatra ity vehivavy ity aho; kanefa tsy nahita ny famantarana maha virijiny azy aho nony niray taminy.»
15
Dia halain’ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana maha virijiny azy ka hoentiny amin’ny fitsarana, eo anoloan’ny loholon ’ny tanàna.
16
Ary hiteny amin’ny loholona ny rain-drazazavavy hoe: «Nomeko ho vadin’io lehilahy io ny zanako vavy; avy eo dia tsy tiany indray izy,
17
ka noharatsîny tamiko hoe tsy nahitany ny famantarana maha virijiny azy. Nefa indreto ny famantarana maha virijiny ny zanako vavy.» Dia hovelarin’ny ray aman-drenin-drazazavavy eo anatrehan’ny loholon’ny tanàna ilay lamba nandriany tamin’ny alin’ny fampakarana azy.
18
Ary hosamborin’ny loholona izany lehilahy izany ka hofaiziny.
19
Hosazîna sekela volafotsy zato koa ralehilahy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baràka tovovavy israelita anankiray izy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony ariana amin’ny andro rehetra hiainany.
20
Fa raha marina kosa ny lazain-dralehilahy ka tsy hita ny famantarana maha virijiny an-drazazavavy,
21
dia hoentina hankeo anoloan’ny varavaran’ny tranon-drainy razazavavy ka hitora-bato azy ho faty ny mponina ao an-tanànany; zava-pady tokoa teo amin’i Israely manko no nataony, raha nijangajanga fony izy mbola tao an-tranon-drainy. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.
22
Raha misy lehilahy azo miray amim-behivavy vadin’olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay niray tamin-dravehivavy na ravehivavy koa. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.
23
Raha misy tovovavy virijiny efa fofombadin’olona ka eo an-tanàna izy no hitan-dehilahy anankiray sy iraisany,
24
dia hoentinareo hankeo am-bavahadin’izany tanàna izany izy roroa, ka hotorahanareo vato ho faty: ravehivavy moa, satria tsy niantso vonjy nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria niray tamin’ny vadin’ny namany. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.
25
Fa raha any an-tsaha kosa ralehilahy no mahita an’ilay tovovavy fofombadin’olona ka misavika azy sy miray aminy, dia ralehilahy izay niray taminy ihany no hatao maty.
26
Fa razazavavy tsy hasianareo na inona na inona, satria tsy misy ota tokony hahafaty azy. (Mitovy amin’ny olona namely ny namany ka nahafaty azy manko izany toe-javatra izany).
27
Eny, tany an-tsaha no nahitan’io lehilahy io an-drazazavavy; ary niantso vonjy ihany ilay tovovavy fofombadin’olona, saingy tsy nisy namonjy azy.
28
Raha misy lehilahy mahita tovovavy tsy mbola fofombadin’olona ka misavika azy sy miray aminy, ary tratra manao izany izy roroa,
29
dia hanome sekela volafotsy dimampolo ho an’ny rain-drazazavavy io lehilahy io; ary satria efa nanaovany an-keriny ilay tovovavy, dia hovadiny izy ary tsy ho azony ariana amin’ny andro rehetra hiainany.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→