bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 33
Deuteronomy 33
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 34 →
1
Rehefa nadiva ho faty i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, dia izao no tsodrano nataony tamin’ny Israelita:
2
Tonga avy tany Sinay ny TOMPO, avy tany Sehîra no nisehoany tamin’ny vahoakany, avy tao an-tendrombohitra Paràna no namirapiratany. Otronin’ny anjely alinkisa no nahatongavany; avy teo amin’ny tanan-kavanany no nanjelanjelatra ny lalàna.
3
Eny, tia ireo fokon’i Israely ianao, ry Tompo! Ambany fifehezanao avokoa ny olona voatokana ho Anao; miankohoka eo an-tongotrao ireo ka samy mandray ny teninao.
4
Ny Lalàna naroson’i Mosesy tamintsika no lovan’ny taranaka narovan’i Jakôba;
5
ary tonga mpanjakan’i Jesoròna ny Tompo fony tafangona ny lehiben’ny vahoaka mbamin’ireo foko israelita rehetra.
6
Ny amin’ny taranak’i Reobena, dia hoy i Mosesy hoe: «Aoka ho velona ny fokon’i Reobena fa tsy ho faty, ary aoka ho tsy tambo isaina ny olony!»
7
Ny amin’ny taranak’i Joda dia izao no voalazan’i Mosesy; «TOMPO ô, henoy antso ny fokon’i Joda! Ento izy hifandray amin’ireo mpiray firenena aminy; ny tanany no hiadiany ho an’ny fokony ka ampio izy hamely ny mpandrafy azy.»
8
Ny amin’ny taranak’i Levỳ, dia hoy i Mosesy hoe: «Tompo ô, ny Orîmanao sy Tomîmanao dia nankininao amin’ireto olona mahatoky Anao ireto, izay efa nozahanao toetra tany Masà sy nanarinao mafy teo amin’ny ranon’i Meribà.
9
Noho Ianao, dia tsy mba niraiki-po tamin’ny ray aman-dreniny ireo, na nifikitra tamin’ny mpiray tampo na fatra-pitia zanaka, fa nitandrina ny teninao sy nitana ny fanekempihavananao.
10
Ireo no mampianatra ny fitsipika aman-dalànanao amin’ny Israelita namany sy manolotra vovo-javamanitra eo anatrehanao ary mitondra sorona dorana manontolo eo amin’ny alitaranao.
11
TOMPO ô, tahio ny ezaka vitany ary aoka ho sitrakao ny asa ataony; folahy ny herin’izay mitsangan-kanohitra azy, ary aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.»
12
Ny amin’ny taranak’i Benjamîna, dia hoy i Mosesy hoe: «Foko malalan’ny TOMPO ianareo ka monina feizay eo akaikiny; miaro anao isan’andro vaky Izy sady monina eo anivon’ny havoanareo.»
13
Ny amin’ny taranak’i Jôsefa, dia hoy i Mosesy hoe: «Hotahîn’ny TOMPO anie ny taninareo, ka hahazo ny ando fanomezan-tsoan’ny lanitra sy ny rano misoko avy any ambany lalina any,
14
handray ny zava-tsoa entin’ny masoandro sy ny zava-tsoa matoy isam-bolana,
15
ho rakotry ny voka-tsoan’ny tendrombohitra sy ny voka-tsoan’ny havoana hatrizay hatrizay!
16
Enga anie ny zava-tsoan’izany tany mahavokatra izany sy ny fanambinan’Ilay nitoetra tao amin’ny Roimemy hitosaka eo amin’ny taranak’i Jôsefa, dia ny taranak’ilay navahana tamin’ny rahalahiny!
17
Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin’ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»
18
Ny amin’ny taranak’i Zebolòna sy i Jisakara, dia hoy i Mosesy hoe: «Mifalia, ry fokon’i Zebolòna, amin’ny varotra ataonao; mifalia, ry fokon’i Jisakara, ao an-dainao.
19
Firenena maro no antsoinareo hankeo an-tendrombohitra mba hanolotra sorona araka ny voalahatra, satria angoronanareo harena ny ranomasina sy ny zava-tsoa miafina ao amin’ny fasika.»
20
Ny amin’ny taranak’i Gada, dia hoy i Mosesy hoe: «Hankalazaina anie ny Tompo Izay manome faritra malalaka ho an’ny fokon’i Gada! Tahaka ny liona no amitsahan’ny fokon’i Gada, dia liona vonon-kamiravira ny sandrin’ny rembiny mbamin’ny lohany koa aza.
21
Nahazo ny zaratany tsara indrindra ho azy izy, dia anjara voatokana ho an’ny mpifehy; avy eo niaraka tamin’ny lehiben’ny vahoaka izy ka nanao ny marina soritan’ny TOMPO sy ny fitsipiny hanasoavana an’i Israely.»
22
Ny amin’ny taranak’i Dana, dia hoy i Mosesy hoe: «Ny fokon’i Dana dia tahaka ny vanton-diona izay miantoraka avy ao Basàna.»
23
Ny amin’ny taranak’i Naftalỳ, dia hoy i Mosesy hoe: «Ry fokon’i Naftalỳ, tototra tombontsoa ianao sady heniky ny fitahian’ny TOMPO. Aoka hitatra miankandrefana sy mianatsimo ny faritany anananao!»
24
Ny amin’ny taranak’i Asera, dia hoy i Mosesy hoe: «Hotahîna anie ny fokon’i Asera, eo amin’ny samy taranak’i Jakôba! Hotiavin’ny mpiray firenena aminy anie izy! Aoka hitobaka ny menak’ôlivany ka hisy hanobohany ny tongony!»
25
Azo antoka ny varavaranao fa ho vy amam-barahina ny hidiny. Ny herinao anie haharitra toy ny androm-piainanao!
26
Dia hoy koa i Mosesy hoe: «Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon’ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao.
27
Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana; ny heriny, hatrany hatrany, no miasa etỳ ambany etỳ. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ary mandidy anao handringana an’ireo.
28
Mandry feizay ny Israelita; monina milamina ny taranak’i Jakôba eo amin’ny tany be vary sy divay, tany izay ipariahan’ny andon’ny lanitra.
29
Sambatra ianareo, ry Israelita! Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin’ny TOMPO? Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo. Hikoy aminareo ny fahavalonareo, ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→