bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 23
Deuteronomy 23
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 24 →
1
Tsy misy olona mahazo miray amin’ny vadin-drainy, fa mahavery zo aman-kasina an-drainy izany.
2
Ny lehilahy torotoro vihina na tapaka filahiana dia tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.
3
Ny zazasary dia tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO; na ny taranany fahafolo aza, dia tsy hahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.
4
Ny Hamônita sy ny Môabita dia tsy mahazo miditra na oviana na oviana ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO; na ny taranany fahafolo aza, dia tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.
5
Tsy nitsena sakafo sy rano anareo teny an-dalana manko ny Hamônita sy ny Môabita fony ianareo niala tany Ejipta; sady ry zareo Môabita koa no nampaka an’i Balahàma, zanakalahin’i Behôra, avy tany Petôra any Mezôpôtamia, ary nanamby vola azy mba hanozona anareo.
6
Kanefa ny TOMPO Andriamanitrareo tsy nety nihaino an’i Balahàma, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anareo IZY noho ny fitiavany anareo.
7
Aza mitady izay hiadanan’ireo firenena ireo na izay hahasoa azy na oviana na oviana ianareo amin’ny andro rehetra hiainanareo.
8
Aza hamavoinareo ny Edômita, satria taranaky ny mpiray tampo izy mbaminareo. Aza hamavoinareo koa ny Ejiptianina, satria efa mba vahiny tany amin’ny taniny ianareo.
9
Ny valovotak’ireo firenena roa tonta ireo, manomboka eo amin’ny taranaka fahatelo, dia hahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.
10
Raha eo am-pitobiana hanafika fahavalo ianareo, dia fadio ny zava-dratsy rehetra.
11
Raha eo aminareo no misy miaramila tsy madio satria nanary lahinaina tsy nahy tamin’ny alina, dia hivoaka ny toby izy ary tsy hiditra ao.
12
Handro izy rehefa harivariva, ary mahazo miverina eo amin’ny toby indray nony tokony ho maty masoandro.
13
Aoka hisy tany voafaritrareo any ivelan’ny toby mba ho fivoahanareo.
14
Ary mitondrà fantàka miaraka amin’ny fiadianareo; ka raha hihataka hivoaka ianareo, dia io fantàka io no hihadianareo lavaka hivoahana sy hanotofanareo ny dikinareo.
15
Mandeha eo afovoan’ny tobinareo ilay TOMPO Andriamanitrareo mba hiaro anareo sy hampanaiky resy ny fahavalonareo; ka dia ho faritra masina ny tobinareo, ary tsy tokony hahita zava-maharikoriko eo aminareo ny Tompo mba tsy hialany aminareo.
16
Aza atolotrareo ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mialoka eo aminareo.
17
Eo aminareo no honenany, dia eo amin’ny toerana izay fidiny ao amin’ny tanànanareo mba hahafinaritra azy; fa aza mampahory azy ianareo.
18
Aoka tsy hisy vehivavy na lehilahy israelita hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
19
Aza ekena hoentina eo an- tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hanefana voady na ny tangim-behivavy janga na ny karaman’alikalahy: ireo zavatra anankiroa ireo manko dia samy zava-mahatsiravina eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo.
20
Aza mampanàna zavatra amin’ny mpiray firenena ianareo, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananàna.
21
Ny olona hafa firenena ihany no azonareo ampananàn-javatra, fa ny mpiray firenena kosa tsy hanaovanareo izany; dia hotahîn ’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin’ny zavatra rehetra hataonareo, any amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.
22
Raha mivoady hanao sorona na fanatitra amin’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, dia aza ela fanefa; raha tsy izany kosa dia hanadinany anareo tokoa ilay voady ka ho fahotana aminareo.
23
Fa raha tsy mivoady ianareo, dia tsy fahotana aminareo izany.
24
Izay aloaky ny vavanareo dia imasoy hotanterahina, araka ny voady an-tsitrapo notononin’ny vavanareo tamin’ny TOMPO Andriamanitrareo.
25
Raha ianareo sendra mandalo ny tanimboaloboky ny namanareo, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky; fa aza mitondra mody.
26
Raha ianareo sendra mandalo ny tanimbarin’ny namanareo, dia mahazo mioty salohim-bary amin’ny tananareo; fa aza jinjanareo antsy ny variny.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34