bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 8
Deuteronomy 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 9 →
1
Ny didy izay ampitaiko aminareo anio dia imasoy avokoa ny hanatanteraka azy, mba ho velona ianareo sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay tamim-pianianana no nampanantenan’ny TOMPO azy ny razambenareo.
2
Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin’izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia.
3
Rehefa nampanetry tena sy namela anareo ho noana Izy, dia namahana anareo tamin’ny mana izay hanina tsy fantatrareo na ny razanareo; tiany hampahalalaina anareo manko fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan’ny TOMPO.
4
Ny fitafianareo tsy rovitra, ny tongotrareo tsy mivonto, nandritra izay efapolo taona izay.
5
Dia hoekenareo ao am-ponareo fa tahaka ny anabeazan’ny raim-pianakaviana ireo zanany no nanabeazan’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo;
6
ka hotandremanareo ny didiny mba hizoranareo amin’ny lalany sy hanajanareo Azy.
7
Tany soa no efa hampidiran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo: dia tany misy renirano sy loharano ary rano mitoby anaty tany ka miboiboika eny amin’ny lemaka na eny an-tendrombohitra;
8
tany vokatra varimbazaha sy vary ôrza ary koa voaloboka sy aviavy aman’ampongabendanitra; tany itobahan’ny menaka ôliva sy tantely;
9
tany hahitanareo vy sy vato eo aminy ary hihadianareo varahina ny tendrombohiny. Hanaram-po hihinan-kanina ianareo sady tsy hanan-java-mahory akory eo amin’izany tany izany.
10
Ary rehefa hihinana ka ho voky ianareo, dia hisaotra ny TOMPO Andriamanitrareo noho ny tany soa nomeny anareo.
11
Kanefa tandremo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy tandremanareo ny didy sy ny fitsipika aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio.
12
Eny, hihinana sy ho voky ianareo, hanao trano tsara hitoeranareo,
13
hihamaro omby sy ondry aman’osy, hitombo volafotsy sy volamena, ary hiavosa fananana isan-karazany;
14
saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo.
15
Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin’ny vatolampy mafy indrindra.
16
Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin’ny mana, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay.
17
Aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny tanjakay sy ny herinay no nahavorianay izao harena izao!»;
18
tsarovy kosa fa ny TOMPO Andriamanitrareo no manome anareo ny hery hamoriana harena, ka mahatò tahaka ny amin’izao anio izao ny fanekempihavanana izay nataony sady nianianany tamin’ny razambenareo.
19
Fa raha hadinoinareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka andriamani-kafa no harahinareo sy hotompoinareo ary hiankohofanareo, dia milaza marimarina aminareo aho fa haringana mihitsy ianareo.
20
Tahaka ny handringanan’ny TOMPO ireo firenen-tsamy hafa eo anoloanareo no handringanana anareo koa, satria tsy nohenoinareo ny feon’ilay TOMPO Andriamanitrareo.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→