bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 6
Deuteronomy 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 7 →
1
Izao no didy sy lalàna amam-pitsipika, nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo hampianarina hotanterahinareo any amin’ny tany izay hiampitanareo mba halainareo ho fananana.
2
Ny tanjona kendrena, ho an’ny andro rehetra iainanareo, dia ny hanajanareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka hitandremanareo ny lalànany sy didiny rehetra izay ampitaiko aminareo sy amin’ny taranakareo mba ho maro andro ianareo.
3
Henoy izany, ry vahoaka Israely, ary imasoy ny hanatanteraka azy, mba ho sambatra sy hitombo isa ianareo any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.
4
«Mihainoa, ry vahoaka Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana.
5
Koa tiavo ny TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny herinao manontolo.
6
Aoka haraikitrao ao am-ponao izao didy ampitaiko anao anio izao.
7
Dia ampianaro tsara ny zanakao izany; ary resaho na mipetraka ao an-tranonao ianao na mandeha eny an-dalana, na mandry ianao na mifoha.
8
Mba ho fampahatsiahivana anao, dia ataovy amin’ny boaty famehy eny amin’ny hato-tananao na eny an-kandrinao ireny,
9
ary soraty eo amin’ny tolàm-baravaran’ny tranonao na eo amin’ny vavahadin’ny tanànanao.»
10
Rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homeny anareo,
11
dia hahita tanàna lehibe sady tsara izay tsy ianareo no nanorina azy, sy lavaka famorian-drano izay tsy ianareo no nandavaka azy, ary saham-boaloboka aman’ôliva izay tsy ianareo no namboly azy; ka hihinana sy hivoky ianareo.
12
Amin’izay, dia tandremonareo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Izay nampiala anareo tany Ejipta, toera-nanandevozana anareo.
13
Ilay TOMPO Andriamanitrareo ihany no hohajainareo, Izy no hotompoinareo, ary ny anarany no aoka hianiananareo.
14
Aza manaraka andriamani-kafa amin’ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo ireny,
15
satria Andriamanitra saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Azy ilay TOMPO Andriamanitrareo Izay eo afovoanareo. Koa tandremo fandrao hirehitra aminareo ny fahatezeran’ilay TOMPO Andriamanitrareo ka hofongorany tsy ho eto ambonin’ny tany ianareo.
16
Aza maka fanahy ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, tahaka ny nataonareo tany Masà.
17
Tandremo tsara ny didy sy baiko aman-dalàna izay efa nampitain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo.
18
Tanteraho izay mahitsy sady tsara eo imason’ny TOMPO mba ho sambatra ianareo sy hiditra hahazo ny tany soa izay tamim-pianianana no nampanantenan’ny TOMPO azy ny razambenareo;
19
ary dia horoahinareo lavitra anareo avokoa ny fahavalonareo, araka izay voalazan’ny TOMPO.
20
Rahatrizay ny zanakareo hanontany anareo hoe: «Inona no anton’ireo baiko sy lalàna amam-pitsipika izay efa nandidian’ny TOMPO Andriamanitsika anareo?»,
21
dia hovalianareo hoe: «Nandevozin’ny Farao tany Ejipta isika, ary fahefana mahery no nampialan’ny TOMPO antsika tany.
22
Famantarana sy zava-mahagaga goavana sady mandoza no nataon’ny TOMPO teo imasontsika hamelezana ny Farao mbamin’ny ankohonany sy ny Ejiptianina.
23
Isika kosa nampialany tany Ejipta mba hampidirina eto homena ilay tany izay nampanantenainy ny razambentsika tamim-pianianana.
24
Nodidian’ny TOMPO isika hanatanteraka ireo lalàna rehetra ireo sy hanaja Azy TOMPO Andriamanitsika, mba ho sambatra lalandava sy ho velona aina tahaka ny amin’izao anio izao.
25
Ary ho toetra marina ny antsika raha imasoantsika ny hanatanteraka manontolo izany didy izany eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitsika, araka izay nampitainy tamintsika.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→