bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 19
Deuteronomy 19
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 20 →
1
Rahatrizay haringan’ny TOMPO Andriamanitrareo sady horesenareo ny firenena mpanana ny tany izay homen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia honenanareo ny tanànany sy ny tranony.
2
Hozarainareo ho faritra telo izany tany omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo izany; dia hanokana tanàna telo eo afovoan’ny isam-paritany ianareo ka hamboatra ny lalana mankany mba hahazoan’izay mahafaty olona rehetra mandositra ao amin’ireo tanàna ireo.
4
Ny mahazo mandositra ao ka ho velona aina dia izay olona nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha.
5
Ohatra ny olona izay miaraka amin’ny namany ho any an’ala mba hikapa hazo; ka nony manainga ny famaky hikapa ny hazo ireo tanany, dia mitsoaka amin’ny zarany ny lela-famaky ary mahavoa sady mahafaty ilay namany: handositra ao amin’ny anankiray amin’ireo tanàna ireo izany olona izany ka ho velona aina.
6
Aoka ny mpamaly faty, raha mbola mirehi-katezerana, mba tsy hanenjika ny nahafaty olona ka hahatratra azy mbola lavitry ny tanàna handosirany sy hamely hahafaty azy; nefa olona tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
7
Koa izany no andidiako anareo hoe: «Manokàna tanàna telo ho fialofanareo!».
8
Raha imasoanareo hotanterahina manontolo izao didy ampitaiko aminareo anio izao ka hotiavinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hizoranareo mandrakariva ny sori-dàlany, dia hitarin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny faritaninareo, araka izay nampanantenainy ombàm-pianianana tamin’ny razambenareo. Ary amin’izay, dia hampianareo tanàna fialofana telo indray iretsy telo iretsy.
10
Izany no tsy hisian’ny famonoana olona tsy manan-tsiny eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo; ka tsy ho meloka amin’ny famonoana olona tsy manan-tsiny ianareo.
11
Fa mety misy olona mankahala ny namany ka manotrika hamely azy, dia miantoraka aminy sy mamono mahafaty azy, ary avy eo mandositra ho ao amin’ny anankiray amin’ireo tanàna fialofana ireo.
12
Amin’izay kosa ny loholona amin’ny tanàna fiaviany dia haniraka haka azy ao ary hanolotra azy eo an-tanan’ny mpamaly faty mba hovonoiny ho faty;
13
tsy hangorahanareo izy. Izany no hanesoranareo amin’i Israely ny famonoana olona tsy manan-tsiny ary izany koa no hahitanareo soa.
14
Ao amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia aza mamindra ny orim-bato mamaritra ny tanin’ny namanareo, orim-bato izay efa vitan’ny razana tamin’ny zaratany azonareo.
15
Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin’izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hitombenan’ny raharaha.
16
Raha misy vavolombelona mijoro hanendrikendrika olona ho nanao ratsy,
17
dia hankeo anoloan’ny Toeramasin ’ny TOMPO izy roa lahy miady ka hiseho eo anatrehan’ireo mpisorona sy ireo mpitsara tompon’anjara amin’izany andro izany.
18
Ary hanao famotorana lalina ny mpitsara; ka raha hitany fa vavolombelona mandainga ilay vavolombelona noho izy miampanga lainga ny namany,
19
dia araka izay nokasainy hatao amin’io namany io no hataonareo aminy. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.
20
Ary handre izany ny olona hafa rehetra, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony.
21
Tsy hangorahanareo akory ilay mpanendrikendrika; fa aina no hataonareo solon’ny aina, maso no solon’ny maso, nify no solon’ny nify, tanana no solon’ny tanana, tongotra no solon’ny tongotra.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34