bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 29
Deuteronomy 29
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 30 →
1
Novorîn’i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: –Tany Ejipta dia efa hitanareo izay rehetra nataon’ny TOMPO teo imasonareo tamin’ny Farao sy ny tandapany rehetra ary ny taniny manontolo.
2
Efa hitanareo maso ny fitsapana mafy nianjady taminy, dia ireny famantarana sy zava-mahagaga goavana ireny.
3
Nefa tsy nomen’ny TOMPO fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany.
4
Efapolo taona no nitondrako anareo tany an-taniefitra; tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-koditrareo na ny kapa teny an-tongotrareo.
5
Tsy mofo mba nohaninareo ary tsy divay na toaka mba nosotroinareo: niahy anareo ny TOMPO hahafantaranareo fa Izy no TOMPO Andriamanitrareo.
6
Nony tonga teto amin’ity toerana ity ianareo, dia niainga hifanehatra sy hiady amintsika i Sihôna, mpanjakan’i Hesbôna, sy i Hôga mpanjakan’i Basàna; kanefa resintsika izy roa lahy.
7
Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zaratanin’ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase.
8
Koa imasoy hotanterahina ny fepetra momba izao fanekempihavanana izao mba hambinina ianareo amin’izay rehetra hataonareo.
9
Ry Israelita, anio no miseho eto anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo rehetra, dia ny lehibenareo sy mpitsaranareo, ny loholonareo sy mpifehy anareo, ny vatan-dehilahy
10
sy zaza amam-behivavy, ary koa ny vahiny eo amin’ny tobinareo ka ampiasainareo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano.
11
Hidiranareo izao ny fanekempihavanana ataon’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo ary hirosoanareo ny fianianana hankatoavana izany.
12
Dia hasandrany ho vahoakany ianareo ary Izy ho Andriamanitrareo, araka izay nampanantenainy taminareo sy nianianany tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo.
13
Tsy aminareo ihany no ataoko manankery izao fanekempihavanana arahim-pianianana izao;
14
eny, tsy an’izay olona tafaraka etoana manatrika ny TOMPO Andriamanitsika ihany izao fanekempihavanana izao fa ho an’izay taranaka amam-para tsy mbola tafaraka amintsika anio koa.
15
Fantatrareo izay nitoerantsika tany Ejipta sy izay nandehanantsika namakivaky ny tanin’ireo hafa firenena;
16
ary efa hitanareo ny zava-maharikoriko misy eo aminy, dia ny sampy vita hazo na vato na volafotsy na volamena.
17
Koa aoka tsy hisy aminareo, lahy na vavy, na fianakaviana na foko, hanana fo mivily anio ka hiala amin’ny TOMPO Andriamanitsika mba handeha hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny; aoka tsy hisy aminareo ho tahaka ny fakan-javamaniry miteraka poizina mangidy.
18
Raha olona mandre izao tenim-pianianana izao no mihevi-tena ho ambinina ka hanao hoe: «Hanam-piadanana ihany aho, na manaraka ny ditram-poko aza; sady tany dibo-drano, tsy mba mangetaheta intsony!»,
19
dia tsy hety hamela heloka izany olona izany ny TOMPO; fa hanetroka aminy kosa ny fahatezeran’ny TOMPO sy ny fahasarota-piarony, ary hiafitra aminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, ka hovonoin’ny TOMPO tsy ho eo amin’izao tontolo izao ny fahatsiarovana azy.
20
Dia havahan’ny TOMPO tsy ho anisan’ny foko israelita rehetra intsony izy; ary ho loza ho azy izany, araka ny ozona rehetra izay raketin’ny fanekempihavanana voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity.
21
Rehefa mahita ny voina sy loza hamelezan’ny TOMPO ity taninareo ity ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay handimby anareo sy ny vahiny avy any an-tany lavitra, dia ho loa-bolana hoe:
22
«Main’ny solifara sy ny sira avokoa ity tany ity; tsy azo amafazana intsony, tsy hanirian-javatra intsony, ary tsy hisy ahitra hitrebona intsony ao. Ny mihatra aminy dia ny nanjo an’i Sôdôma sy i Gômôra ary i Admà sy i Tsebôima, izay tanàna noravan’ny TOMPO satria nirehetan’ny fahatezerany ».
23
Ny firenena hafa rehetra koa dia ho loa-bolana hoe: «Nahoana re ny TOMPO no dia nanao toy izany tamin’ity tany ity? Inona no hevitr’izao fahatezerany mirehitra mafy izao?»
24
Dia hovalian’ny olona hoe: «Tonga izao satria nafoin’izany vahoaka izany ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO, dia ilay Andriamanitry ny razambeny. Nanao fanekempihavanana taminy tokoa manko ny TOMPO fony nampiala azy tany Ejipta;
25
kanjo nandeha nanompo andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehan’ireny andriamanitra tsy fantany sady tsy navela hotompoiny ireny.
26
Dia nirehitra tamin’ity tany ity ny fahatezeran’ny TOMPO, ka nataony tonga taminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity;
27
eny, fahatezerana mirehitra mafy tokoa no nandroahan’ny TOMPO azy sy nanilihany azy any an-tany hafa, tahaka ny misy azy ankehitriny izao.»
28
Anjaran’ny TOMPO Andriamanitsika ny mahafantatra ny zava-miafina. Ny tenantsika sy ny taranatsika hatrany hatrany kosa no mahafantatra ny zavatra ambarany, mba hanatanterahantsika ny didy rehetra raketin’ity Lalàna ity.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→