bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 7
Deuteronomy 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 8 →
1
Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin’ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta.
2
Rehefa hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefànareo ireny ka horesenareo, dia ataovy ringana tanteraka. Aza manao fanekempihavanana aminy na mamindrafo aminy.
3
Aza mampifanambady ny zanakareo aminy; ny zanakavavinareo tsy homenareo ho vadin’ny zanakalahiny, ary ny zanakavaviny tsy halainareo ho vadin’ny zanakalahinareo.
4
Fa havilin’ireny vahiny ireny tsy hanaraka ny TOMPO ireo taranakareo ka hanompo andriamani-kafa; dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ny TOMPO ka haringany vetivety ianareo.
5
Fa izao kosa no ataovy amin’ireny firenena ireny: ny alitarany, horavanareo; ny tsangambaton-tsampiny, hovakivakînareo; ny tsato-kazo fanajany an’i Aserà, hokapainareo; ary ny sarin-tsampiny voasokitra, hodoranareo.
6
Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo; ianareo no efa nofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany mba ho vahoaka fananany sarobidy indrindra.
7
Tsy hoe ianareo maro noho ny firenena hafa rehetra no nampiraiki-po ny TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, satria vitsy noho ny firenena hafa rehetra aza ianareo.
8
Fa raha nentin’ny TOMPO tamin’ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin’ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan’ny Farao mpanjakan’i Ejipta, dia satria tian’ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin’ny razambenareo.
9
Aoka ho fantatrareo fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hany Andriamanitra tena Izy. Mitandro ny fanekempihavanany sy ny fitiavany hatramin’ny taranaka faharivo Izy amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny;
10
fa an-karihary sady tsy an-kitaredretra kosa no amaliany sy andringanany an’izay mankahala Azy.
11
Koa tandremo ny didy sy lalàna amam-pitsipika izay andidiako anareo anio mba hotanterahinareo.
12
Raha ireo fitsipika ireo no henoinareo ka imasoanareo hotanterahina, dia hotandrovin’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo ny fanekempihavanana sy ny fitiavana izay nianianany tamin’ny razambenareo.
13
Eny, ho tiany sy hotahîny ary hohamaroiny ianareo; hotahîny ny zaza haterakareo sy ireo vokatry ny taninareo, dia ny varinareo sy ny divainareo ary ny menakareo; hotahîny koa ny vokatry ny fiompianareo, dia ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razambenareo fa homena anareo.
14
Hotahîny mihoatra noho ny firenena hafa rehetra ianareo; tsy hisy lahy na vavy momba eo aminareo na eo amin’ny biby fiompinareo.
15
Ary harovan’ny TOMPO tsy ho azon’aretina ianareo, ka tsy hisy hamelezany anareo ny aretin-dratsy izay fantatrareo fa nanjo an’i Ejipta; saingy hafitsony amin’izay rehetra mankahala anareo kosa ireny.
16
Aoka hofongoranareo tsy hisy antra mihitsy ny firenena rehetra izay hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo; ary aza tompoinareo ny andriamaniny, fa ho fandrika hampanompo sampy anareo ireny.
17
Raha ianareo hiteny anakampo hoe: «Maro noho izahay ireo firenena ireo, ka hataonay ahoana no fandroaka azy?»,
18
dia aza matahotra azy ianareo. Tsarovy tsara kosa izay nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’ny Farao sy tamin’i Ejipta manontolo.
19
Masonareo no nahita ny fampahoriana mafy nafitsony an-dry zareo, ny famantarana sy zava-mahagaga vitany ary ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina namoahany anareo tany Ejipta: toy izany koa no hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny firenena rehetra izay atahoranareo!
20
Na izay sisa tavela ka hiery tsy ho hitanareo aza, dia handefasan’ny TOMPO Andriamanitrareo fanenitra hamely azy mandra-paharingany.
21
Aza matahotra ireny firenena ireny ianareo, fa eo afovoanareo ilay TOMPO Andriamanitrareo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
22
Horoahiny tsikelikely eo anoloanareo izy ireny; tsy ho azonareo fongorana vetivety manko ireny, fandrao hihamaro ny bibidia ka hamely anareo.
23
Hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefànareo ireny firenena ireny, ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-paharingana ireny.
24
Dia hatolony eo an-tananareo koa ny mpanjakany ka ho foananareo tsy ho re laza intsony eto amin’izao tontolo izao; tsy hisy olona hahatohitra anareo mandra-paharinganareo azy.
25
Ny sarin-tsampy voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo; aza tsiriritinareo na alainareo ho anareo ny volafotsy na volamena izay eo amin’ireny sarin-tsampy ireny, fandrao ho fandrika hampanompo sampy anareo izany: eny, zava-mahatsiravina eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ireny rehetra ireny.
26
Aza mampiditra sarin-tsampy ao an-tranonareo ianareo, fandrao ho mendrika haringana miaraka aminy; ho hàlanareo indrindra sy ho zava-mahatsiravina tokoa eo imasonareo izany, satria zavatra tsy maintsy haringana tanteraka.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34