bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 3
Deuteronomy 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 4 →
1
Dia nihodina niakatra tamin’ny lalana mankany Basàna isika; ary niainga hiady amintsika tao Edrehỳ i Hôga mpanjakan’i Basàna, mbamin’ny tafiny manontolo.
2
Tamin’izay, dia hoy ny TOMPO tamiko: «Aza matahotra an’i Hôga ianareo, fa efa natolotro eo an-tananareo izy sy ny tafiny manontolo mbamin’ny taniny; ary ny hataonareo amin’i Hôga dia araka izay nataonareo tamin’i Sihôna mpanjaka amôrita, izay nonina tao Hesbôna.»
3
Dia natolotry ny TOMPO Andriamanitsika eo an-tanantsika koa i Hôga, mpanjakan’i Basàna, mbamin’ny tafiny manontolo; noresentsika ireo ka tsy nisy niangana na iray akory aza.
4
Afatsika tamin’izay ny tanànany enimpolo izay nanjakàn’i Hôga manerana ny faritany Argôba manontolo tao Basàna.
5
Tanànamimanda avokoa ireo tanàna ireo ka samy nisy manda avo sy vavahady voahidy mafy; ankoatra ireo, dia nisy tanàna kely maro dia maro.
6
Noravantsika tanteraka ireny tanàna ireny ary naringantsika ny lehilahy mbamin’ny zaza amam-behivavy isan-tanàna, toy ny nataontsika tamin’ny tanànan’i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna.
7
Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin’ireo tanàna ireo no nobabointsika.
8
Koa tamin’izany andro izany, dia nalaintsika tamin’ny mpanjaka amôrita anankiroa ny tany izay any an-dafin’i Jôrdàna, manomboka amin’ny lohasahan-driaka Arnôna ka miafara amin’ny tendrombohitra Hermôna,
9
(dia i Hermôna izay nataon’ny Tsidônianina hoe Siriôna ary nataon’ny Amôrita kosa hoe Senîra).
10
Nalaintsika ny tanàna rehetra amin’ny lembalemba, nalaintsika i Gilehada sy i Basàna manontolo hatrany Salkà sy Edrehỳ izay tanàna nanjakan’i Hôga tany Basàna.
11
I Hôga mpanjakan’i Basàna manko no hany sisa tavela tamin’ny Refaîta. Mbola hita ao Rabà, renivohitry ny Amôrita, ny vatam-paty misy azy, dia vatam-paty natao tamin’ny vato vy voapaika ka efatra metatra sy sasany ny halàvany ary roa metatra ny sakany araka ny refy mahazatra.
12
Tamin’izany andro izany tokoa no nahazoantsika io tany io. Ny antsasaky ny tany havoanan’i Gilehada mbamin’ny tanàna eo, manomboka any Harôhera izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna, dia nomeko ny Reobenita sy ny Gadita.
13
Ny sisa tamin’i Gilehada sy i Basàna manontolo, izay nanjakan’i Hôga, dia nomeko ny antsasa-pokon’i Manase. (Ny faritany Argôba miaraka amin’i Basàna manontolo dia natao koa hoe tanin’ny Refaîta.
14
Ireo terak’i Jaîro zanakalahin’i Manase no nahazo ny faritany Argôba manontolo, mipaka amin’ny sisintanin’ny Gesorita sy Mahekatita; dia nantsoina hoe Havôta-Jaîro izany faritra izany araka ny anarana entiny mandraka androany.)
15
Ny terak’i Makira kosa nomeko faritany Gilehada.
16
Ny Reobenita sy ny Gadita dia nomeko ny ampahan’i Gilehada miafara amin’ny lohasahan-driaka Arnôna (ka tao afovoan’io lohasahan-driaka io no sisintany), sy miafara amin’ny lohasahan-driaka Jabôka izay sisin-tany mampisaraka amin’ny Hamônita;
17
nomeko azy ireo koa i Harabà, ka ny ony Jôrdàna no sisintany, manomboka ao Kinereta ka miafara amin’ny Ranomasin’i Harabà, dia ny Ranomasina Maty, eo am-bodin’ny tendrombohitra Pisgà izay ao atsinanany.
18
Tamin’izany andro izany, dia nomeko baiko ireo ka nataoko hoe: «Efa nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo ity faritany ity; ka ndeha mita eo alohan’ny Israelita hafa havanareo ianareo lehilahy mahery fo rehetra samy efa voaoman-kiady.
19
Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo, (fantatro fa be biby fiompy ianareo), dia hitoetra ao amin’ireo tanàna izay nomeko anareo.
20
Ampio ny Israelita hafa mandra-panomen’ny TOMPO azy fitsaharana tahaka ny nataony taminareo, ka hananany ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo azy any andafin’i Jôrdàna; dia samy hiverina any amin’ny zaratany izay nomeko anareo avy ianareo.»
21
Tamin’izany andro izany koa dia nomeko baiko i Josoa ka nilazako hoe: «Efa hitanao maso izay rehetra nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’ireo mpanjaka roa lahy; dia toy izany no hataon’ny TOMPO amin’ny mpanjaka rehetra hatrehinao eny ampita.
22
Aza matahotra azy ianareo satria ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no hiady ho anareo.»
23
Tamin’izany andro izany, dia nitaraina tamin’ny TOMPO aho ka nanao hoe:
24
«Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, vao nanehoanao ny fahalehibeazanao sy ny fiarovanao mahery aho mpanomponao. Fa, na any an- danitra na eto an-tany, aiza no misy andriamanitra mahay manao araka ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?
25
Aoka mba hahazo mita aho ka hahita izany tany soa any andafin’i Jôrdàna izany, dia ilay faritra be tendrombohitra tsara sy i Libano.»
26
Fa tezitra tamiko ny TOMPO noho ny aminareo, ka tsy nihaino ahy sady nilaza tamiko hoe: «Aoka izay fa aza teneninao amiko intsony izany zavatra izany.
27
Miakara eo an-tampon’i Pisgà ianao ary atopazy miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, dia aoka hijery; satria tsy hahazo mita izany Jôrdàna izany ianao.
28
Fa i Josoa no omeo baiko, dia ampaherezo sy hatanjaho, satria izy no hiampita eo alohan’ity vahoaka ity sady hampahazo azy ny tany izay ho hitanao.»
29
Dia nijanona teo an-dohasaha tandrifin’i Bety-Pehôra isika.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34