bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 27
Deuteronomy 27
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 28 →
1
Dia nandidy ny vahoaka i Mosesy sy ny loholon ’i Israely ka nanao hoe: –Tandremo avokoa ny didy izay ampitaiko aminareo anio.
2
Amin’ny andro hitànareo ny ony Jôrdàna ho any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia vato lehibe no hatsanganareo ka holaloranareo sokay;
3
ary hosoratanareo eo amin’ireo vato ireo ny teny rehetra momba ity Lalàna ity, vantany vao tafita ny ony ianareo. Izany no hidiranareo ao amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.
4
Any amin’ny tendrombohitra Hebala no hatsanganareo sy holaloranareo sokay ireo vato izay ameperako anareo anio ireo, rehefa tafita ny ony Jôrdàna ianareo.
5
Eo koa no hanorenanareo alitara ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia alitara vato tsy voapai-by.
6
Vato tsy voavoatra no hanorenanareo io alitara io, ary eo amboniny dia hanoloranareo sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo.
7
Hanolotra sorom-pihavanana koa ianareo, ka hihinana eo an-toerana sady hifaly eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo.
8
Amin’ireo vato voatsangana ireo kosa no hanoratanareo ny teny rehetra momba ity Lalàna ity ka hataonareo velona tsara ny soratra.
9
Dia niteny tamin’ny Israelita rehetra indray i Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: –Mangina ka mihainoa, ry Israelita. Izao anio izao ianareo no efa tonga vahoakan’ny TOMPO Andriamanitrareo.
10
Koa henoy ny feon’ny TOMPO Andriamanitrareo ary tanteraho ny didy aman-dalàny izay ampitaiko aminareo anio.
11
Androtrizay koa dia nandidy ny vahoaka i Mosesy ka nanao hoe:
12
–Rehefa tafita ny ony Jôrdàna ianareo, dia ireto foko ireto no ho eo amin’ny tendrombohitra Gerizîma amin’ny fanononam- pitahiana ho an’ny vahoaka: dia i Simehôna, i Levỳ, i Jodà, i Jisakara, i Jôsefa ary i Benjamîna.
13
Ireto foko ireto kosa no ho eo amin’ny tendrombohitra Hebala amin’ny fanononana ozona: dia i Reobena, i Gada, i Asera, i Zebolòna, i Dana, ary i Naftalỳ.
14
Dia hiteny amin’ny Israelita rehetra ny Levita ka feo mahery no hilazany hoe:
15
«Ho voaozona anie ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra ho sampiny na sarin-javatra amin’ny metaly nempoina ka mametraka azy hotsaohina an-takona, satria maharikoriko eo imason’ny TOMPO ny asan-tanan’ny mahay taozavatra toy ireny!» Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: « Amen!»
16
«Ho voaozona anie izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»
17
«Ho voaozona anie izay mamindra ny orimbato faritry ny tanin’ny namany!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»
18
«Ho voaozona anie izay mamery lalana ny jamba!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»
19
«Ho voaozona anie izay manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»
20
«Ho voaozona anie izay miray amin’ny vadin-drainy fa mahavery zo aman-kasina an-drainy izany!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe; «Amen!»
21
«Ho voaozona anie izay miray amin’ny biby!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»
22
«Ho voaozona anie izay miray amin’ny anabaviny, na zanakavavin-drainy izany na zanakavavin-dreniny!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»
23
«Ho voaozona anie izay miray amin’ny rafozambaviny!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»
24
«Ho voaozona anie izay mahafaty an-takona ny namany!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»
25
«Ho voaozona anie izay mandray kolikoly hahafaty olona tsy manan-tsiny!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»
26
«Ho voaozona anie izay tsy mankatò ireo teny momba ity Lalàna ity sy tsy manatanteraka azy!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!».
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34