bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 5
Deuteronomy 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 6 →
1
Dia novorîn’i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: –Ry Israelita, henoy ny lalàna amam-pitsipika izay ampitaiko ho renareo anio; ianaro ireo àry imasoy ny fanatanterahana azy.
2
Nanao fanekempihavanana tamintsika ny TOMPO Andriamanitsika, tany amin’ny tendrombohitra Hôreba.
3
Tsy tamin’ireo razantsika ihany no nanaovan’ny TOMPO izany fanekempihavanana izany fa amintsika rehetra izay samy mbola velona eto anio koa.
4
Tany an-tendrombohitra sady avy tao anatin’ny afo no niteny nifanatrika taminareo ny TOMPO.
5
Izaho kosa teo anelanelan’ny TOMPO sy ianareo tamin’izany andro izany mba hanambara aminareo ny tenin’ny TOMPO, satria natahotra teo am-pahitana ilay afo manko ianareo ka tsy niakatra tao an-tendrombohitra. Fa hoy ny TOMPO hoe:
6
«Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.
7
«Aza manana andriamani-kafa ianao, fa Izaho ihany.
8
«Aza manao sarin-tsampy voasokitra ho anao, ampisehoanao endri-javatra izay eny amin’ny habakabaka ambony na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany.
9
Aza miankohoka eo anatrehan’ireny sampy ireny ianao ary aza manompo azy, satria Izaho TOMPO Andriamanitrao dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy. Raha misy olona meloka amin’izany ka mankahala Ahy, dia mamaly azy sy ny taranany hatrany amin’ny zafin-dohalika Aho;
10
nefa kosa amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko, dia mamindrafo hatrany amin’ny taranaka faharivo Aho.
11
«Aza manonom-poana ny anarako ianao, fa Izaho TOMPO Andriamanitrao dia tsy hamela ho afa-potsiny izay manonom-poana ny anarako.
12
«Mitandrema ny andro sabata mba hanokananao azy ho Ahy TOMPO Andriamanitrao, araka izay nandidiako anao.
13
Enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
14
Fa ny andro fahafito kosa dia sabata voatokana ho Ahy TOMPO Andriamanitrao; koa aza manao raharaha akory amin’izany, na ny tenanao, na ny zanakao, na ny mpanomponao, na ny ombinao na ny borikinao, na ny biby hafa rehetra fiompinao, na ny vahiny izay ao an-tranonao; aoka mba hitsahatra tahaka anao koa ireo mpanomponao.
15
Ary tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianao ka fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina no nitondrako anao niala tany; izany no mahatonga Ahy TOMPO Andriamanitrao handidy anao hitandrina ny andro sabata.
16
«Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidiako anao, mba ho maro andro iainana ianao ary mba hahita soa any amin’ny tany omeko anao.
17
«Aza mamono olona.
18
«Aza manitsakitsa-bady na maka vadin’olona.
19
«Aza mangalatra.
20
«Aza mety ho vavolombelona mandainga hamelezana ny namanao.
21
«Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny tranony, na ny taniny, na ny mpanompony, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho fananany.»
22
Ireo didy ireo no nampitain’ny TOMPO tamim-peo mahery tany an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo sy ny setroka ary ny rahona mikitroka. Ianareo Israelita rehetra izay tafavondrona teo am-bodin’ny tendrombohitra no nampitany azy ary tsy nanampiany na inona na inona. Ireo didy ireo avy eo dia nosoratany tamin’ny takela-bato anankiroa izay natolony ahy.
23
Rehefa renareo ilay feo avy tao anatin’ny haizina, fony nirehitra afo manontolo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ireo filohan’ny fokonareo sy ireo loholonareo
24
ka nitondra ny teninareo tamiko hoe: «Indro efa nampahitan’ny TOMPO Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany izahay sady efa nandre ny feony avy tao anatin’ny afo; koa tsapanay androany fa itenenan’Andriamanitra ny olona saingy mbola velona aina ihany.
25
Kanefa nahoana izahay no hitolo-batana holevonin’io afo lehibe io ka ho faty? Fa raha mbola mandre ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay, dia ho faty mihitsy.
26
Satria iza moa tamin’ny olombelona rehetra no efa nandre tahaka anay ny feon’ilay Andriamanitra velona niteny avy tao anatin’ny afo, ka velona aina ihany?
27
Ianao no aoka hanatona ny TOMPO Andriamanitsika sy hihaino ny zavatra rehetra holazainy; avy eo vao hampitainao aminay ny zavatra rehetra nolazain’ny TOMPO Andriamanitsika taminao, ka hohenoinay sy hotanterahinay izany.»
28
Fony nambara tamiko ny teninareo, dia ren’ny TOMPO izany ka hoy Izy tamiko: «Efa reko ny teny nampitain’io vahoaka io taminao, ka tsara avokoa ny voalazany.
29
Enga anie io vahoaka io mba ho tapa-kevitra mandrakariva toy izany hanaja Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra, mba ho sambatra hatrany hatrany izy sy ny taranany.
30
Ndeha asaovy miverina any an-dainy ireo.
31
Fa ianao kosa, mijanona eto anilako ka holazaiko aminao ny didy sy lalàna amam-pitsipika rehetra izay hampianarinao azy mba hotanterahiny any amin’ny tany omeko azy ho fananany.»
32
Koa himasoanareo, hoy indray i Mosesy, ny hanatanteraka izay efa nandidian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ary tsy hivily na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia ianareo.
33
Fa ny lalana rehetra izay nosoritan’ny TOMPO Andriamanitrareo ho anareo no halehanareo mba ho velona ianareo ka hahita soa ary ho maro andro iainana any amin’ny tany izay halainareo ho fananana.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34