bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 16
Deuteronomy 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 17 →
1
Tandremo fa amin’ny volana Abîba no hankalazanareo ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo. Volana Abîba manko no nitondran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo niala tany Ejipta tamin’ny alina.
2
Koa hatolotrareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny sorom-pihavanana fanao amin’ny Paska, dia ondry aman’osy na omby, eo amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO mba hipetrahan’ny voninahiny.
3
Aza mofo misy leviora no haninareo amin’ny sakafo Paska; fa mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo mba hahatsiahivanareo fa an-kamehana no nialanareo tany Ejipta; eny, mofo tsizarizary no hohaninareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nialanareo tany Ejipta, mandritra ny andro rehetra iainanareo.
4
Aoka tsy hisy leviora eo aminareo, manerana ny taninareo, mandritra izany herinandro izany; ary aoka tsy hisy tavela ho tra-maraina ny henan’ilay sorom-pihavanana novonoinareo tamin’ny harivan’ny andro voalohany.
5
Tsy ho azonareo anaovana ny soron’ny Paska avokoa tsy akory ny tanàna rehetra izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo;
6
fa amin’ny toerana izay hofidiny hipetrahan’ny voninahiny ihany no hanaovanareo ny soron’ny Paska, rehefa hariva maty masoandro iny, izany hoe amin’ilay fotoana nialanareo tany Ejipta
7
Dia handrahoinareo izany ka hohaninareo eo amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo; ary rehefa maraina ny andro, dia hody any an-dainareo ianareo.
8
Mandritra ny enina andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora; fa amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana famaranana manetriketrika ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hanao raharaha ianareo amin’izany.
9
Hanisa fito herinandro ianareo, ka miantomboka amin’ny andro hiandohan’ny fijinjam-bary no hanisanareo izany.
10
Dia hankalaza ny fetin’ny Pentekôsta ianareo, ka hanavaka fanati-tsitrapo homenareo araka izay itahian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.
11
Hankany amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny ianareo, ary hifaly eo anatrehan’ilay Toeramasin ’ny TOMPO Andriamanitrareo ny tenanareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin’ny Levita izay ao an-tanànanareo ary koa ny vahiny sy kamboty ary mpitondratena izay eo anivonareo.
12
Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ka imasoy hotanterahina ireo didy ireo.
13
Rehefa voaangonareo ny avy amin’ny famoloanareo sy famiazanareo, dia hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka ianareo.
14
Ary hifaly am-piravoravoana ianareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin’ny Levita ary koa ny vahiny sy kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanareo.
15
Mandritra ny fito andro no hanaovanareo izany fankalazana izany ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo eo amin’ny toerana izay hofidiny; ary dia hifaly tokoa ianareo satria notahîn’ny TOMPO Andriamanitrareo avokoa ny vokatrareo sy ny asan-tananareo.
16
Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminareo no hiseho eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny toerana izay hofidiny, dia amin’ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora sy ny fankalazana ny Pentekôsta ary ny fankalazana ny Tranotomboka. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan’ny Toeramasin ’ny TOMPO;
17
fa aoka samy hitondra izay fanatitra zakany avy, araka ny fitahiana omen’ny TOMPO Andriamanitrareo azy.
18
Mifidiana mpitsara sy mpifehy ao an-tanàna rehetra izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo araka ny fokonareo avy; ary dia ho ara-drariny no aoka hitsaran’ireo ny vahoaka.
19
Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry ka mampamadika ny raharahan’ny manan-drariny.
20
Ny ara-drariny mihitsy no harahinareo mba ho velona ianareo ka hahazo ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.
21
Aza anangananareo tsato-kazo fanajana an’i Aserà eo anilan’ny alitara izay hamboarinareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo;
22
ary aza ampijoroanareo tsangambaton-tsampy koa eo, fa halan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→