bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 26
Deuteronomy 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 27 →
1
Rahatrizay ianareo tafiditra ao amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho anjaranareo ka hahazo azy ho fanananareo sy hiorim-ponenana eo,
2
dia makà ampahan’ny voaloham-bokatra rehetra azonareo avy amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, ka ataovy an-tsobika izany. Dia mankanesa amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hipetrahan’ny voninahiny;
3
ary samia ianareo manatona ny mpisorona mpanao raharaha amin’izany andro izany, ka milazà aminy hoe: «Manambara amin’ny TOMPO Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin’ny tany izay nianianan’ny TOMPO tamin’ny razambentsika homena antsika.»
4
Dia horaisin’ilay mpisorona kosa ny sobika eny an-tananareo ka hapetrany eo anoloan’ny alitara n’ny TOMPO Andriamanitrareo.
5
Ary samy hiteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: «Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin’olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
6
Ratsy fitondra anay ny Ejiptianina ka nampahory anay sy nampanao anay fanompoana mafy.
7
Dia nitarainanay ilay TOMPO Andriamanitry ny razambenay, ka nohenoiny ny feonay ary hitany fa nahantra sy nijaly sady nampahorîna izahay.
8
Fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ombàn’ny fampatahorana goavana sy famantarana ary zava-mahagaga no namoahan’ny TOMPO anay hiala tany Ejipta;
9
ary nentiny hiditra teto amin’ity tany ity izahay ka nomeny anay ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.
10
Koa ankehitriny, TOMPO ô, intỳ aho mitondra ny voaloham-bokatr’ilay tany izay efa nomenao ahy.» Dia samy hametraka izany zavatra izany eo anoloan’ny Toeramasin ’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo sady hiankohoka hitsaoka ny TOMPO Andriamanitrareo.
11
Avy eo noho ny soa rehetra izay nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hifaly ianareo miaraka amin’ny Levita sy ny vahiny eo aminareo.
12
Isaky ny telo taona no fanangonana ny fahafolon-karena. Ka rehefa tapitra voaavakareo ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ny vokatrareo, dia omeo ny Levita sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena izany mba hananany hanin-kahavoky azy ao an-tanànanareo;
13
ary samia ianareo miteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo hoe: «Efa navoakako niala ny tranoko, TOMPO ô, ny zavatra voatokana ho Anao ka nomeko ny Levita sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena, araka ny didy manontolo izay nampitainao tamiko; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao ny amin’izany.
14
Ireo zavatra ireo tsy nisy nohaniko fony aho nisaona, na navoakako ny tranoko fony aho naloto ara-pivavahana, na nomeko hatao fanatitra noho ny maty; fa efa nihaino ny feonao aho, ry TOMPO Andriamanitro, ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.
15
Tsinjovy avy ao amin’ny fonenanao masina any an- danitra ka tahio ilay Israely vahoakanao sy ilay tany izay nomenao anay araka ny fianianana nataonao tamin’ny razambenay, dia tany tondra-dronono sy tantely.»
16
Anio no andidian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo hanatanteraka ireo lalàna amam-pitsipika ireo; koa himasoanareo hotanterahina amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo ireo.
17
Efa nampiteneninareo ny TOMPO androany fa ho Andriamanitrareo Izy, ary ianareo hanaraka ny sori-dàlany ka hitandrina ny lalànany sy didy amam-pitsipiny ary hihaino ny feony.
18
Efa nampitenenin’ny TOMPO kosa ianareo androany fa ho vahoaka fananany sarobidy indrindra ianareo, araka izay nampanantenainy taminareo, sady hitandrina ny didiny rehetra.
19
Eny, tiany hasandratra ho ambonin’ny firenena rehetra izay nataony ianareo na amin’ny voninahitra na amin’ny laza na amin’ny famirapiratana; dia ho vahoaka voatokana ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34