bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 24
Deuteronomy 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 25 →
1
Mety misy lehilahy naka vady sy efa nampakatra azy; kanefa tafara tsy tia azy intsony ralehilahy noho ny ahitany zavatra azo kianina eo amin-dravehivavy. Dia hanoratra taratasy fanariam-bady ho an-dravehivavy izy sy hanolotra izany eo an-tanany ka hampiala azy ao an-tranony.
2
Rehefa niala ny trano ravehivavy, dia lasa nanambady olon-kafa.
3
Mety tsy tia an-dravehivavy intsony ilay lehilahy faharoa nanambady azy ka manoratra taratasy fanariam-bady sy manolotra izany eo an-tanany ary mampiala azy ao an-tranony; na koa mety maty izany lehilahy faharoa nanambady azy izany.
4
Ilay lehilahy voalohany nanambady azy ka nanary azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, satria efa voaloto ravehivavy ho azy sady zava-mahatsiravina eo imason’ny TOMPO izany. Aza atao tototra heloka ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.
5
Rehefa misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handehandeha hiantafika izy ary tsy hampanaovina raharaham-bahoaka; fa havela izy hitoetra herintaona ao an-tranony ka hampifaly ny vady izay vao nampakariny.
6
Aza misy maka ny vato roa fikoseham-bary na ny vatony ambony ho antoka, fa maka aina ho antoka izany.
7
Rehefa misy Israelita hita mangalatra ny anankiray amin’ireo mpiray firenena aminy ka manandevo azy na mivarotra azy, dia hatao maty ilay mpangalatra. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.
8
Mitandrema ny amin’ny aretin-koditra isan-karazany, ka imasoy fatratra ny hanatanteraka ny zavatra rehetra hatoron’ireo Levita mpisorona.
9
Tsarovy izay nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’i Miriama teny an-dalana, fony ianareo niala tany Ejipta.
10
Rehefa ny namanareo no ampindraminareo zavatra na inona na inona, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
11
Mijanòna ao alatrano, ary ny lehilahy izay nampindraminareo zavatra no hamoaka ny antoka ho aminareo ao alatrano.
12
Raha ohatra lehilahy mahantra no manome ny lambany ho antoka, dia aza tananareo miloaka alina io antoka io fa tsy maintsy haverinareo aminy mihitsy rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ka hisaorany anareo. Dia ho asa soa vitanareo izany eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo.
14
Aza ampahorînareo ny mpikarama izay mahantra sy ory, na anisan’ny mpiray firenena aminareo izy na anisan’ny vahiny eo amin’ny taninareo sy ao an-tanànanareo.
15
Fa ny andro anaovany ihany no hanomezanareo ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany satria mahantra izy sady io karama io no andrandrain’ny fony. Aoka tsy hitaraina amin’ny TOMPO noho ny nafitsokareo izy, fa dia ho fahotana aminareo izany.
16
Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin’ny ataon’ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ny ataon’ny ray aman-dreniny; fa samy hatao maty amin’ny fahotany avy ny isam-batan’olona.
17
Aza manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho antoka.
18
Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ary ny TOMPO Andriamanitrareo no efa nanavotra anareo ho afaka tany; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.
19
Rehefa jinjainareo ny varinareo any an-tsaha, ka misy amboara iray hadinonareo any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. Dia hotahîn ’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin’ny asa rehetra ataonareo.
20
Rehefa ahintsanareo sy angoninareo ny ôlivanareo, dia aza miverina hioty izay ôliva sisa tavela; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
21
Rehefa otazanareo ny voalobokareo, dia aza miverina hitsimpona izay sampaho sisa tavela; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
22
Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34