bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 9
Deuteronomy 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 10 →
1
Mihainoa, ry vahoaka Israely ô! Efa hiampita an’i Jôrdàna ianareo izao, ary hiroso handroaka firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianareo, sady hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra.
2
Soritana manokana ny Hanakîta, firenena lehibe sady olona ranjanana, izay fantatrareo sy renareo laza hoe: «Iza no hahatohitra ny taranak’i Hanàka?»
3
Ho tsapanareo anio fa ny TOMPO Andriamanitrareo no efa hiampita eo alohanareo tahaka ny afo mandevona, ka Izy mihitsy no handringana ireny firenena ireny sy hampietry azy eo anoloanareo; dia handroaka azy ianareo ka hamongotra azy faingana, araka izay nampanantenain’ny TOMPO taminareo.
4
Rehefa voatosiky ny TOMPO Andriamanitrareo teo anoloanareo ireny firenena ireny, dia aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny fahamarinanay no nampidiran’ny TOMPO anay haka ity tany ity ho fanananay!» Tsy izany, fa ny haratsiam-panahin’ireo no nandroahan’ny TOMPO azy teo anoloanareo.
5
Tsy ny fahamarinanareo na ny hitsimponanareo no mahamendrika anareo hiditra haka ny taniny ho fanananareo; fa ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no handroahan’ny TOMPO Andriamanitrareo azy eo anoloanareo, ary koa mba hahatò ny fampanantenana izay nianianan’ny TOMPO tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo.
6
Koa aoka ho fantatrareo fa tsy ny fahamarinanareo no anomezan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany tany soa izany ho fanananareo. Vahoaka mafy hatoka manko ianareo.
7
Tsarovy ny nampahatezeranareo ny TOMPO Andriamanitrareo; aza hadinoinareo mihitsy izany! Hatreo amin’ny andro nialanareo tany Ejipta ka hatramin’izao nahatongavanareo teto amin’ity toerana ity izao, dia tsy nitsahatra niodina tamin’ny TOMPO ianareo.
8
Tany Hôreba aza, dia nampahatezitra mafy ny TOMPO tokoa ianareo ka saiky haringany.
9
Niakatra tao an-tendrombohitra manko aho handray ny takela-bato, dia ireo takela-bato anankiroa nirakitra ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO taminareo; ary nitoetra efapolo andro sy efapolo alina tao aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
10
Dia nomen’ny TOMPO ahy ny takela-bato anankiroa, voasoratry ny rantsan-tanan’Andriamanitra ka nirakitra ny didy rehetra nolazain’ny TOMPO taminareo; avy tao anatin’ny afo no nilazany an’ireny tao an-tendrombohitra fony ianareo vory ho fivondronambe.
11
Tapitra ny efapolo andro sy efapolo alina, vao nomen’ny TOMPO ahy ny takela-bato anankiroa, izany hoe ireo takela-bato nirakitra ny fanekempihavanana.
12
Tamin’izay dia hoy ny TOMPO tamiko: «Mialà teto ianao, ka ndeha midina faingana; fa nihasimba ilay vahoaka izay nafahanao avy tany Ejipta, nalaky nivily niala tamin’ny sori-dàlana efa nasaiko nizorany ka nanao sarin-tsampy ho azy tamin’ny metaly nempoina!»
13
Dia hoy koa ny TOMPO tamiko: «Efa hitako fa vahoaka mafy hatoka ity vahoaka ity!
14
Avelao Aho handringana azy ka hanafoana ny fahatsiarovana azy eto amin’izao tontolo izao, fa ianao kosa no hataoko firenena mahery sy lehibe noho ity vahoaka ity.»
15
Dia nihodina aho nidina niala teo amin’ny tendrombohitra izay toa nirehitra afo. Teny an-tanako roa ireo takela-bato anankiroa nirakitra ny fanekempihavanana.
16
Nijery aho ka indreo tokoa fa nanota tamin’ny TOMPO ianareo, satria nanao ombilahikely tamin’ny metaly nempoina mba ho sampinareo ary nalaky nivily niala tamin’ny sori-dàlana izay efa nasain’ny TOMPO nizoranareo.
17
Noho izany, dia noaingako mafy ireo takela-bato anankiroa ka nazerako avy teny an-tanako ho vakivaky teo imasonareo.
18
Ary niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha indray aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ny fahotana rehetra vitanareo tamin’ny nanaovanareo izay ratsy teo imason’ny TOMPO ka nampahatezeranareo Azy no anton’izany.
19
Fa natahotra aho nahita ny fahatezerana sy fahavinirana nirehetan’ny TOMPO taminareo ka saika handringanany anareo; saingy mbola nihaino ahy indray IZY tamin’izany andro izany.
20
Tezitra mafy tamin’i Aharôna koa ny TOMPO ka saika handringana azy; saingy nifona ho an’i Aharôna koa aho tamin’izany andro izany.
21
Ary nalaiko ny fahotana vitanareo, dia ilay ombilahikely volamena, ka nodorako dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ny ranon-driaka izay midina avy any amin’ny tendrombohitra.
22
Tao Tabeherà sy Masà ary Kibrôty-Taavà dia nampahatezitra ny TOMPO koa ianareo.
23
Ary fony nampandehanin’ny TOMPO niala tao Kadesy-Barnea ianareo ka nataony hoe: «Miakara ka alaovy ho fanananareo ny tany izay omeko anareo», dia nolavinareo ny tenin’ny TOMPO; fa tsy nino Azy ianareo na nihaino ny feony.
24
Eny, hatramin’ny andro nahalalako anareo no ho mankatỳ, dia niodina tamin’ny TOMPO hatrany ianareo.
25
Noho ny TOMPO efa nilaza handringana anareo, dia niankohoka teo anatrehany aho ary tsy nitsahatra mihitsy nandritra izany efapolo andro sy efapolo alina izany.
26
Nifona tamin’ny TOMPO aho ka nanao hoe: «Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, aza aringanao ny vahoaka fanananao, izay navotanao tamin’ny fahalehibiazanao sy navoakanao avy tany Ejipta tamin’ny fiarovanao mahery.
27
Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao; fa aza jerenao ny ditran’ity vahoaka ity na ny haratsiam-panahiny na ny fahotany,
28
fandrao izay monina any amin’ilay tany namoahanao anay hanao hoe: ‹Tsy hain’ny TOMPO ny nampiditra azy any amin’ny tany nampanantenainy azy; tsy tiany velively ireo, ka izany no namoahany azy mba hahafaty azy any an-taniefitra.›
29
Kanefa, Tompo ô, ireo no vahoaka fanananao, izay navoakanao avy tany Ejipta tamin’ny herinao lehibe sy sandrinao nahinjitra.»
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→