bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Deuteronomy 15
Deuteronomy 15
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 16 →
1
Isaky ny fito taona dia hanao famoizan-trosa ianareo,
2
ka izao no fomba hampiharana izany: ianareo tompon-trosa rehetra, izay nampisambo-bola ny namany, dia hamoy izany, rehefa natao antso avo ny taona famoizan-trosa ho fanajana ny TOMPO; tsy hoterenareo hamerin-trosa ilay namana mpiray tanindrazana aminareo.
3
Ny olona hafa firenena ihany no azonareo terena hamerin-trosa; fa izay trosanareo amin’ny mpiray firenena aminareo kosa dia hafoinareo.
4
Kanefa tsy hisy mahantra eo aminareo, satria hotahîn’ny TOMPO tokoa ianareo, any amin’ny tany izay homen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo,
5
raha henoinareo tsara ny feony ka imasoanareo hotanterahina manontolo izao didy ampitaiko aminareo anio izao.
6
Eny, hotahîn’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy anareo; ka ianareo tsy mba hisy hisambo-bola fa firenena maro kosa no hampisamborinareo vola; firenena maro no hofehezinareo, fa ianareo kosa tsy mba hofeheziny.
7
Raha sendra misy mahantra ny mpiray firenena aminareo ao an-tanàna anankiray amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia aza anidianareo fo izy na anakombonanareo tanana;
8
fa sokafy tsara amin’io mahantra mpiray firenena aminareo io ny tananareo, ka ampisambory azy ny sahaza ilainy, araka izay mahory azy.
9
Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponareo ny hevi-dratsy manao hoe: «Antomotra ity ny taona fahafito, dia ny taona famoizan-trosa.» Aoka ianareo tsy ho ratsy fijery an’ilay mahantra mpiray firenena aminareo, ka tsy hanome azy na inona na inona; fa hitaraina amin’ny TOMPO hiampanga anareo izy, ka dia ho fahotanareo izany.
10
Omeo tokoa izy ary aoka tsy halahelo ny fonareo raha manome azy, satria izany fahalalahan-tananareo izany no hitahian ’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin’ny asa aman-draharaha rehetra ataonareo.
11
Koa satria hisy mandrakariva ny mahantra eo amin’ny taninareo, dia izany no andidiako anareo hoe: Sokafy tsara amin’ny mpiray firenena aminareo ny tananareo, dia amin’ny ory sy mahantra eo amin’ny taninareo.
12
Raha sendra misy mitolo-tena ho mpanomponareo ny lehilahy na vehivavy hebreo mpiray firenena aminareo, dia hanompo anareo enin-taona izy; amin’ny taona fahafito kosa hovotsoranareo ho afaka izy.
13
Rehefa hovotsoranareo ho afaka izy, dia tsy havelanareo handeha fotsiny;
14
fa hisy hampitondrainareo azy avy amin’ny ondry aman’osinareo ary avy amin’ny vary aman-divainareo: izay efa nitahian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo no hanomezanareo azy.
15
Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, saingy efa nanafaka anareo ilay TOMPO Andriamanitrareo; koa izany no anomezako anareo anio izao didy izao.
16
Kanefa mety milaza aminareo io mpanomponareo io fa tsy hiala aminareo, satria tiany ianareo mianakavy ka finaritra izy miaraka aminareo;
17
amin’izay, dia alaovy ny fitevika ka teveho amin’ny varavarana ny sofiny; dia ho mpanomponareo mandra-maty izy. Toy izany koa no hataonareo raha misy mpanompovavy tsy te hiala aminareo.
18
Aoka tsy ho mafy aminareo ny hamotsotra ny mpanomponareo ho afaka, satria nahazoanareo avo sasaka mihoatra noho izay vitan’ny mpikarama ny nanompoany anareo enin-taona. Eny, votsory izy, dia hotahîn ’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin’izay rehetra ataonareo.
19
Ny lahy rehetra amin’ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo dia hatokanareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinareo, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’osinareo.
20
Isan-taona isan-taona dia eo anoloan’ny Toeramasin ’ny TOMPO Andriamanitrareo, ao amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo, no hihinananareo izany.
21
Raha misy kilemany kosa ny voalohan-teraky ny biby fiompinareo fa mandringa na jamba na voan’ny kilema ratsy hafa, dia aza atolotra ho sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ireny.
22
Ao an-tanànanareo ihany no hihinananareo ireny; ka samy mahazo mihinana azy na ny olona maloto ara-pivavahana na ny madio, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
23
Saingy ny rany no aza haninareo fa araraho amin’ny tany toy ny rano.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34