bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 10
Deuteronomy 10
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 11 →
1
Tamin’io andro io no nilazan’NY TOMPO tamiko hoe: Aoka ianao hipaika vato fisaka roa tahaka ireo teo aloha dia miakara ho etỳ Amiko, etỳ an-tendrombohitra, ary manaova vata hazo;
2
fa hosoratako amin’io vato fisaka vaovao io indray ireo teny teo amin’ny vato fisaka nomontsamontsanina ka hataonao ao anatin’ny vata ireny.
3
Dia nanamboatra vata tamin’ny hazo akasia aho ary nipaika vato fisaka roa tahaka ny teo dia niakatra tao an-tendrombohitra aho; avy eo dia nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.
4
Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Teny Folo izay nolazain’NY TOMPO taminareo tao an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, tamin’ny andro nivoriana; dia nomen’NY TOMPO ahy ireny.
5
Nihodina aho ka nidina niala teo amin’ny tendrombohitra, ary napetrako tao anatin’ny vata izay nataoko ny vato fisaka ka mbola ao ihany ireny araka izay nandidian’NY TOMPO ahy.
6
Ary nandeha niala tamin’ny fantsakan’i Bene-Jakana ny Zanak’Israely ka nankany Mosera; tao no nahafatesan’i Arona sy nandevenana azy; ary i Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
7
Nony niala tao izy ireo dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy dia nankany Jotbata, tany be ony.
8
Tamin’io andro io no nanokanan’NY TOMPO ny fokon’i Levy hitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy hijoro eo anatrehan’NY TOMPO, hanao fanompoam-pivavahana Aminy sy hitsodrano amin’ny anarany, mandraka androany.
9
Izany no tsy ananan’ny levita* anjara na lova eo amin’ny rahalahiny; NY TOMPO no lovany, araka izay nolazain’NY TOMPO Andriamanitrao taminy.
10
Nitoetra efapolo andro sy efapolo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany aho, dia nihaino ahy NY TOMPO ka tamin’io andro io dia tsy nety nandringana anareo Izy.
11
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan’ny olona, mba hidirany sy handovany ny tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy.
12
Ary ankehitriny, ry Israely ô, inona moa no andrasan’NY TOMPO Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra NY TOMPO Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo,
13
hitandrina ny didin’NY TOMPO sy ny lalànany izay omeko anao anio, mba hahita soa ianao?
14
Indro, an’NY TOMPO Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.
15
Kanefa ny razanao no niraiketan’ny fitiavan’NY TOMPO ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’izao anio izao.
16
Koa forao ny fonareo fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
17
Fa NY TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, izay tsy mizaha tavan’olona na mandray kolikoly;
18
manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
19
Koa tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianareo.
20
NY TOMPO Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
21
Izy no fideranao ary Izy no Andriamanitrao izay efa nanatanteraka ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, dia ireo izay efa hitan’ny masonao.
22
Olona fitopolo ny razanao izay nidina tany Ejipta; nefa ankehitriny dia efa nataon’NY TOMPO Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ianao.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34