bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 8
Deuteronomy 8
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 9 →
1
Ny lalàna rehetra izay omeko anao anio dia tandremo ka araho, mba ho velona sy hihamaro ianareo ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo homena azy.
2
Tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao tany an-tany efitra izay efapolo taona izay, fa Izy no hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahafantatra izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
3
Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, ary nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, mba hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ny olona fa izay rehetra aloaky ny vavan’NY TOMPO.
4
Tsy rovitra ny fitafianao teny aminao ary tsy nivonto ny tongotrao izay efapolo taona izay.
5
Koa aoka ho fantatrao amin’ny fonao, fa tahaka ny fananaran’ny olona ny zanany no fananaran’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
6
Tandremo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrao mba handehananao amin’ny lalany sy hatahoranao Azy.
7
Fa NY TOMPO Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina, eny an-dohasaha sy any an-tendrombohitra;
8
tany misy karazam-barimbazaha, voaloboka sy aviavy sy ampongabendanitra, tany misy hazo oliva sy tantely;
9
tany izay hihinananao hanina amin’ny fanaranam-po, sady tsy hisy zava-mahory anao ao; tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin’ny tendrombohiny no hihadianao varahina.
10
Rehefa hihinana ianao ka ho voky dia hisaotra NY TOMPO Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao.
11
Koa mitandrema, fandrao hadinoinao NY TOMPO Andriamanitrao ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalànany, izay omeko anao anio;
12
fandrao rehefa hihinana ianao ka ho voky, fandrao rehefa hanorina trano tsara ianao sady hitoetra ao,
13
fandrao rehefa hihamaro ny ombinao sy ny ondry aman’osinao sady hitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, no hitombo ny fanananao rehetra,
14
dia hiavonavona ny fonao ka hohadinoinao NY TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana,
15
izay nitondra anao tany an-tany efitra lehibe sy mahatahotra, izay misy menarana mandoro sy maingoka, dia ny tany mangetana tsy misy rano; Izy koa no nampivoaka rano ho anao avy tamin’ny vatolampy vatoafo;
16
Izy no nanome anao mana hohanina tany an-tany efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizahana toetra anao nefa hanisy soa anao amin’ny ho avy.
17
Aoka ianao tsy hiteny anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin’ny tanako no nahavoriako izao harena izao;
18
fa tsarovy NY TOMPO Andriamanitrao, satria Izy no manome anao hery hahavory harena mba haoriny ny fanekeny izay nianianany tamin’ny razanao, tahaka izao anio izao.
19
Fa raha toa ka manadino NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manaraka izay andriamanitra hafa sady manompo azy no miankohoka eo anatrehany dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo.
20
Tahaka ny andringanana ny firenen-tsamihafa, izay aringan’NY TOMPO eo anoloanareo, no handringanana anareo satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34