bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 25
Deuteronomy 25
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 26 →
1
Raha misy olona manana ady ka mankeo amin’ny fitsarana mba ho tsarain’ny mpitsara dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
2
Raha tokony hokapohina ny meloka dia aoka hampandrian’ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony ny isan’ny kapoka hatao aminy.
3
Hatramin’ny efapolo no kapoka azo atao aminy, fa tsy azo atao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
4
Aza manakombona ny vavan’ny omby manosihosy vary.
5
Raha misy mpirahalahy miara-monina ka maty momba ny iray dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin’ny maty; fa ny rahalahin’ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy.
6
Ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran’ilay rahalahiny izay efa maty mba tsy ho faty maso eo amin’ny Israely izy io.
7
Ary raha tsy ankasitrahin-dRalehilahy ny hitondra loloha ny vadin’ny rahalahiny dia aoka hankeo amin’ny vavahady ho eo amin’ny loholona Ravehivavy ka hiteny hoe: Ny rahalahin’ny vadiko dia tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy.
8
Dia antsoin’ny loholona ao amin’ny tanàna Ralehilahy ka adininy; ary raha mikiry izy ka miteny hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,
9
dia hanatona azy eo anatrehan’ny loholona ny vadin’ny rahalahiny ka hanala ny kapa amin’ny tongo-dRalehilahy, dia handrora amin’ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin’izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
10
Ary ny anaran-dRalehilahy dia hatao eo amin’ny Israely hoe Fianakavian’ilay nalana kapa.
11
Raha misy olona miady ka manatona hamonjy ny vadiny amin’ny tanan’izay mamely azy ny vadin’ny iray, ary manatsotra ny tanany ka mandray azy amin’ny ankasarotana,
12
dia hotapahinao ny tanany; fa tsy hiantra azy ny masonao.
13
Aoka tsy hisy vato roa samihafa, lehibe sy kely, ao anatin’ny kitaponao.
14
Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.
15
Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao mba ho maro andro ianao any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
16
Fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao izay rehetra mahavita ireo zavatra ireo, dia izay rehetra manao ny tsy marina.
17
Tsarovy izay nataon’ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin’ny nivoahanareo avy tany Ejipta,
18
dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodilalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aoriananao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an’Andriamanitra izy.
19
Rehefa omen’NY TOMPO Andriamanitrao fitsaharana amin’ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ho lovanao dia hovonoinao tsy ho eo ambanin’ny lanitra intsony ny fahatsiarovana ny Amalekita; aza hadinoinao izany.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34