bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 13
Deuteronomy 13
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 14 →
1
Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo ka araho; aza ampianao na anesoranao ireny.
2
Raha toa ka misy mpaminany na mpanonofy mitsangana eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao
3
sady miteny hoe: Andeha isika hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrao ka aoka hanompo azy isika; na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao
4
dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo NY TOMPO Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin’ny fitiavana NY TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo ianareo na tsia.
5
Manaraha NY TOMPO Andriamanitrareo ka aoka Izy no hatahoranareo, ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
6
Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hovonoina ho faty satria efa nanao teny fampikomiana amin’NY TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo niala avy tany amin’ny tany Ejipta ka nanavotra anao tamin’ny trano nanandevozana, mba hitaona anao hiala amin’ny lalana izay nasain’NY TOMPO Andriamanitrao halehanao. Dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
7
Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vady andefimandrinao, na ny namanao izay toy ny tenanao, ka miteny hoe: Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy fantatrao, na ny razanao,
8
dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaiky anao na ny lavitra anao, hatramin’ny faran’ny tany rehetra,
9
dia aza manaiky na mihaino azy akory ianao; ary aza mba iantran’ny masonao izy, na amindranao fo na afeninao;
10
fa vonoy ho faty izy; ny tananao no hamono azy voalohany, izay vao ny tanan’ny vahoaka rehetra.
11
Torahy vato izy ho faty, satria efa nitady hitaona anao hiala amin’NY TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao niala avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana.
12
Ary handre izany ny Israely rehetra dia hatahotra ka tsy hanao ratsy eo aminao toy izany intsony.
13
Raha mandre teny ny amin’ny tanànanao iray izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrao honenanao ianao hoe:
14
Nisy olona tena ratsy fanahy avy teo aminao ka nitaona ny mponina tao an-tanànany hoe: Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo,
15
dia hadihadio sy fotory ary adino tsara. Koa raha fantatra fa nisy marina tokoa izany zavatra izany ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany
16
dia asio amin’ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin’io tanàna io ka ataovy ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin’ny lelan-tsabatra ihany koa.
17
Ary angony eo afovoan’ny kianja ny entana nobaboina rehetra ka doroy amin’ny afo ho an’NY TOMPO Andriamanitrao avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra tao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
18
Dia aoka tsy hisy hiraikitra amin’ny tananao akory ny zavatra efa natolotra ho zavatra voaozona, mba hitsaharan’NY TOMPO amin’ny fahatezerany mirehitra ka hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hanamaroany anao araka izay nianianany tamin’ny razanao,
19
raha henoinao ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ka tandremanao ny didiny rehetra izay omeko anao anio, mba hanaovanao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34