bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 12
Deuteronomy 12
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 13 →
1
Toy izao ny didy sy fitsipika izay hotandremanareo ka harahinareo any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin’ny andro rehetra hiainanareo ambonin’ny tany:
2
Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan’ireo firenen-tsamihafa izay noroahinareo, ny andriamaniny teny ambonin’ny tendrombohitra avo sy havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra.
3
Dia horavanareo ny alitarany, hotorotoroinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo amin’ny afo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany* ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo ka hofoananareo tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny anarany.
4
Aza manao toy izany amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.
5
Fa ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fokonareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.
6
Any no hitondranareo ny fanatitrareo dorana manontolo, ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ny fahafolonkarenanareo, ny fanomezana atolotrareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanatitrareo an-tsitrapo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo;
7
any ianareo sy ny ankohonanareo no hihinana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo; ary aoka hifaly ianareo amin’izay rehetra noharìn’ny tananareo, izay efa nitahian’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
8
Aza manao toy izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay heveriny ho mahitsy izao.
9
Fa ianareo dia tsy mbola tonga any amin’ny fitsaharana sy ny lova omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
10
Fa rehefa tafita an’i Jordana ianareo ka monina any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo holovana, sady homeny fitsaharana amin’ny ady amin’ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fehizay,
11
dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitrareo dorana manontolo, ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ny fahafolonkarenanareo, ny fanomezana atolotrareo ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’NY TOMPO.
12
Dia hifaly eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanompolahinareo, ny mpanompovavinareo, ary ny levita* izay ao an-tanànanareo; fa ny levita dia tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.
13
Mitandrema mba tsy hatolotrao eny amin’izay tany rehetra tianao any ny fanatitrao dorana manontolo;
14
fa ao amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO ihany amin’ny iray amin’ireo fokonao no hanoloranao azy, sady ao koa no hanatanterahanao izay rehetra andidiako anao.
15
Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin’ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian’NY TOMPO Andriamanitrao izay omeny anao; na ny olona tsy madio na ny madio, dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
16
Kanefa, aza hanina ny rany, fa aidino amin’ny tany toy ny rano.
17
Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon’ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanatitrao an-tsitrapo, na ny fanomezana atolotrao.
18
Fa eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao, dia ianao, ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ary ny levita izay ao an-tanànanao; hifaly eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra noharìn’ny tananao.
19
Mitandrema mba tsy hataonao an-tsirambina ny levita amin’ny andro rehetra hiainanao amin’ny taninao.
20
Raha hitarin’NY TOMPO Andriamanitrao ny faritaninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ianao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irinao ianao.
21
Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hasiany ny anarany dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’osinao izay nomen’NY TOMPO anao, araka izay nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irinao izany.
22
Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny; na ny olona tsy madio na ny madio dia samy mahazo mihinana azy.
23
Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny ra, fa ny ra no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina miaraka amin’ny hena ianao.
24
Aza mihinana ny ra ianao fa aidino amin’ny tany toy ny rano izy;
25
eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO.
26
Fa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO.
27
Ary atolory eo amin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao ny fanatitrao dorana manontolo, dia ny henany sy ny rany; ary ny ran’ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany.
28
Tandremo ka henoy izao teny rehetra izao izay omeko anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manatanteraka izay tsara sy mahitsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ianao.
29
Rehefa aringan’NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamihafa izay alehanao ka horesenao, ary handresy azy ireny ianao ka honina eo amin’ny taniny,
30
dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ny andriamaniny ianao ka miteny hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireny firenena ireny ny andriamaniny? Fa izaho koa dia mba hanao toy izany.
31
Aza manao toy izany amin’NY TOMPO Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’NY TOMPO, no nataony tamin’ny andriamaniny; ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza dia nodorany tamin’ny afo ho an’ny andriamaniny.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34