bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 23
Deuteronomy 23
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 24 →
1
Tsy mahazo maka ny vadin’ny rainy ny olona, na mandry amin’izay nandrian’ny rainy.
2
Tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
3
Tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO ny zazasary. Na dia hatramin’ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO.
4
Tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO ny Amonita sy ny Moabita. Na dia hatramin’ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO hatramin’ny mandrakizay ireny,
5
satria tsy nitsena anareo tamin’ny mofo sy rano teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Ejipta ianareo, ary satria nanangoly an’i Balama, zanak’i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
6
Kanefa NY TOMPO Andriamanitrao tsy nety nihaino an’i Balama fa nampody ny fanozonana anao ho fitahiana Izy noho ny fitiavany anao.
7
Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ny andronao rehetra mandrakizay.
8
Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita fa rahalahinao izy, na ny Ejiptiana, fa efa mba vahiny tany amin’ny taniny ianao.
9
Ny zafiafin’ireo dia hahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO.
10
Raha miainga hiady amin’ny fahavalonao ny tafikao dia mifadia ny ratsy rehetra.
11
Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin’ny alina, dia hivoaka ho eny ivelan’ny toby izy fa tsy hiditra ao anatiny.
12
Aoka handro amin’ny rano izy rehefa hariva; ary rehefa tokony ho maty masoandro dia mahazo miverina ao amin’ny toby indray izy.
13
Aoka hisy tany voafaritrao ho fivoahanao any ivelan’ny toby;
14
ary mitondrà tsatòka miaraka amin’ny fitaovanao, koa raha hipetraka eny ivelany ianao dia mihadia lavaka amin’ny tsatòka ka totofy ny fivalananao.
15
Fa NY TOMPO Andriamanitrao dia mandeha eo afovoan’ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ho masina ny tobinao, ary mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao Izy ka tsy hiala aminao.
16
Aza atolotrao amin’ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
17
Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
18
Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ny Israely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
19
Aza mitondra ny karama maloton’ny vehivavy janga na ny karaman’alika, ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
20
Aza mampanjanaka zavatra amin’ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampanjanahina.
21
Ny olona hafa firenena ihany no hampanjanahinao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanjanahinao; mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra ataon’ny tananao eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana.
22
Raha mivoady amin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao dia aza ela fanefa, fa hadinin’NY TOMPO Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotanao.
23
Fa raha tsy mivoady ianao dia tsy fahotanao izany.
24
Izay aloaky ny vavanao dia tandremo ka tanteraho, araka ny nivoadianao an-tsitrapo tamin’NY TOMPO Andriamanitrao ihany, dia izay nolazain’ny vavanao.
25
Raha mankany amin’ny tanim-boaloboky ny namanao ianao dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao, nefa aza mitondra mody.
26
Raha mankany amin’ny tanimbarin’ny namanao ianao dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao, nefa aza jinjainao amin’ny antsimbary ny varin’ny namanao.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34