bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 4
Deuteronomy 4
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 5 →
1
Ary ankehitriny, ry Israely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo anareo.
2
Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
3
Efa nahita izay nataon’NY TOMPO noho ny tamin’i Baala-Peora ny masonareo; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’i Baala-Peora dia naringan’NY TOMPO Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
4
Fa ianareo izay nifikitra tamin’NY TOMPO Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa amin’izao anio izao.
5
Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ny tany izay hidiranareo holovana.
6
Koa tandremo sy tanteraho izany fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ny firenen-tsamihafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ireny ka hiteny hoe: Olona hendry sy mahira-tsaina tokoa io firenena lehibe io.
7
Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka NY TOMPO Andriamanitra amin’izay rehetra iantsoantsika Azy?
8
Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra ataoko eo anatrehanareo anio izao?
9
Kanefa kosa mitandrema ianao, tandremo tsara ny tenanao, fandrao hohadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ny masonao, na andrao miala amin’ny fonao izany, amin’ny andro rehetra iainanao. Ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany.
10
Tsarovy izay hitanao tamin’ny andro nitsangananao teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao tany Horeba, fony NY TOMPO nilaza tamiko hoe: Angony etỳ Amiko ny olona dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahorany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
11
Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra; ary nirehitra afo nanakatra ny lanitra ny tendrombohitra, no sady nisy haizina sy rahona ary haizim-pito teo.
12
Dia niteny taminareo avy teo afovoan’ny afo NY TOMPO; feon’ny teny ihany no renareo fa tsy nahita endrika akory ianareo.
13
Nambarany taminareo ny fanekeny, izay nataony didy mba harahinareo, dia ny Teny Folo na ny Didy Folo izany; ary nosoratany teo amin’ny vato fisaka roa ireo.
14
Ary nomen’NY TOMPO didy aho tamin’izany andro izany mba hampianatra anareo didy sy fitsipika izay harahinareo any amin’ny tany izay hidiranareo holovana.
15
Tandremo tsara ny tenanareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin’ny andro izay nitenenan’NY TOMPO taminareo avy tao afovoan’ny afo tany Horeba;
16
tandremo manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, na sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
17
na sarim-biby izay etỳ ambonin’ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin’ny habakabaka,
18
na sarim-biby mandady na mikisaka amin’ny tany, na sarin’ny hazandrano any anaty rano ambanin’ny tany;
19
ary tandremo sao miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ny lanitra, ka ho voataona hiankohoka eo anatrehany sy hanompo azy, kanefa nataon’NY TOMPO Andriamanitrao ho anjaran’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra ireny.
20
Fa ianareo no nalain’NY TOMPO ka noentiny niala avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, avy tany Ejipta, mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin’izao anio izao.
21
Dia tezitra tamiko NY TOMPO noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an’i Jordana aho, na hiditra any amin’ny tany soa izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao.
22
Izaho dia ho faty eto amin’ity tany ity fa tsy hita an’i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.
23
Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken’NY TOMPO Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra rehetra izay nandraran’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
24
Fa NY TOMPO Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
25
Raha hiteraka sy ho loa-jafy koa ianao ka nitoetra ela teo amin’ny tany ianareo ary manao ratsy sy manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra rehetra na inona na inona izany sady manao ratsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ka mampahatezitra Azy,
26
dia miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona fa vetivety foana dia ho fongotra tsy ho ao amin’ny tany izay alehanareo hita an’i Jordana holovana tokoa ianareo; tsy ho maro andro eo ianareo fa haringana tokoa.
27
Ary hampiely anareo any amin’ny firenen-tsamihafa NY TOMPO ka ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ny firenen-tsamihafa izay hitondran’NY TOMPO anareo.
28
Any no hanompoanareo andriamanitra izay asan-tanan’olona, dia vato aman-kazo tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.
29
Any ianao no hitady NY TOMPO Andriamanitrao ka hahita Azy raha mitady Azy amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.
30
Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
31
fa Andriamanitra mamindra fo NY TOMPO Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao na handringana anao na hanadino ny fanekena tamin’ny razanao, izay efa nianianany taminy.
32
Fa anontanio anie ny andro lasa teo alohanao hatramin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olombelona tetỳ ambonin’ny tany ary hatramin’ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
33
Moa efa nisy firenena nandre ny feon’Andriamanitra niteny avy tao amin’ny afo, tahaka izay renao va, nefa velona ihany?
34
Moa va efa nisy andriamanitra izay nanandrana handeha haka firenena ho an’ny tenany, avy amin’ny firenena hafa, tamin’ny alalan’ny fizahan-toetra, ny famantarana, ny fahagagana, ny ady, ny tanana mahery, ny sandry natsotra ary ny asa lehibe sady mahatahotra, araka izay rehetra nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo ho anareo teo imasonao tany Ejipta?
35
Ianao no nampahitany izany, mba hahafantaranao fa NY TOMPO no Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy.
36
Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao ary tetỳ ambonin’ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny dia efa renao avy tao afovoan’ny afo.
37
Satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny taranany mandimby azy, dia Izy tenany no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny heriny lehibe,
38
handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin’izao anio izao.
39
Koa aoka ho fantatrao anio, ary tsarovy ao am-ponao, fa NY TOMPO no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, ary tsy misy afa-tsy Izy.
40
Dia tandremo ny lalànany sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
41
Tamin’izany dia nanokana tanàna telo tany andafy atsinanan’i Jordana i Mosesy,
42
mba handosiran’izay nahafaty tsy nahy ny namany sady tsy nankahala azy talohan’io. Ho velona io mpamono tsy nahy io raha mandositra any amin’iray amin’ireo tanàna ireo,
43
dia i Bazera any an-tany efitra, amin’ny tany lemaka, ho an’ny Robenita; i Ramota-Gileada, ho an’ny Gadita; ary i Golana any Basana, ho an’ny Manasita.
44
Toy izao ny lalàna izay nalahatr’i Mosesy teo anatrehan’ny Zanak’Israely.
45
Toy izao ny teny vavolombelona sy didy ary fitsipika izay nambaran’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely, rehefa niala avy tany Ejipta izy.
46
Tany andafin’i Jordana izany, tao an-dohasaha tandrifin’i Bety-Peora, tao amin’ny tanin’i Sihona, ilay mpanjakan’ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen’i Mosesy sy ny Zanak’Israely, rehefa niala avy tany Ejipta izy.
47
Nahazo ny tanin’i Sihona sy ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita, izay tany andafy atsinanan’i Jordana, izy,
48
hatrany Aroera, izay ao amoron’ny lohasahan-driaka Arnona ka hatrany amin’ny tendrombohitra Siona na Hermona,
49
dia ny tany ngazana manontolo any andafy atsinanan’i Jordana ka hatrany amin’ny ranomasin’ny tany ngazana eo an-tsisin’i Pisga.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34