bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 33
Deuteronomy 33
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 34 →
1
Toy izao ny tsodrano nataon’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, tamin’ny Zanak’Israely, rehefa nadiva ho faty izy.
2
Hoy izy: Avy tao Sinay NY TOMPO ary niseho tamin’ireo avy tany Seìra; niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; ary avy tao amin’ny masiny tsy omby alinalina; nisy afon’ny lalàna ho an’ireo teo ankavanany.
3
Eny, tia ireo firenena Izy; eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; miankohoka eo an-tongotrao ireo ka samy mandray amin’ny teninao.
4
Lalàna no nomen’i Mosesy antsika ho lovan’ny fiangonan’i Jakoba.
5
Ary tonga mpanjakan’i Jesoròna Izy, rehefa tafangona ny lehiben’ny vahoaka sy ny fokon’Israely rehetra.
6
Aoka ho velona fa tsy ho faty i Robena, nefa aoka ho vitsy olona izy.
7
Ny amin’i Joda dia izao, hoy izy: TOMPO ô, mihainoa ny feon’i Joda ka ento ho amin’ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho an’ny tenany ka manampia azy Ianao hamelezany ny mpandrafy azy.
8
Ny amin’i Levy dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao* dia amin’ny olonao mahatoky anao, izay nozahanao toetra tao Masa sy nifamalianao tao amin’ny ranon’i Meriba,
9
izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, sady tsy nahafantatra izay rahalahiny izy, ary izay zanany aza dia tsy fantany koa; fa nitandrina ny teninao izy ka nitana ny fanekenao.
10
Hampianariny ny fitsipikao i Jakoba, ary ny lalànanao Israely; hametraka ditin-kazo manitra eo am-bavoronao izy ary fanatitra dorana manontolo eo ambonin’ny alitaranao.
11
TOMPO ô, tahio ny heriny, ary aoka ho sitrakao ny asan’ny tanany; asio mafy izay mitsangana hiady aminy ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.
12
Ny amin’i Benjamina dia hoy izy: Ny malalan’NY TOMPO dia honina amim-piadanana eo aminy, dia halofany mandrakariva ary hobabeny eo an-damosiny.
13
Ny amin’i Josefa dia hoy izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ny taniny amin’ny fanomezan-tsoan’ny lanitra, dia amin’ny ando sy amin’ny rano lalina mamitsaka any ambany,
14
amin’ny zava-tsoa vokatry ny masoandro sy ny voan-java-tsoa vokatry ny volana,
15
amin’ny zava-malaza avy amin’ny tendrombohitra fahagola sy ny zava-tsoa avy amin’ny havoana hatrizay
16
mbamin’ny zava-tsoan’ny tany sy izay rehetra eo aminy ary ny fankasitrahan’Izay nitoetra tao amin’ilay roimemy; aoka ho tonga ao an-dohan’i Josefa izany, dia eo an-tampon-dohan’ilay nalaza tamin’ny rahalahiny.
17
Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, tandrok’ombimanga ny tandrony; izany no hanotoany ny firenena rehetra, dia ny faran’ny tany; ireo no alinalin’i Efraima sy arivoarivon’i Manase.
18
Ny amin’i Zebolona dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin’izay alehanao, ary ianao, ry Isakara ao an-dainao.
19
Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, ary ao no hamonoany zavatra ho fanatitra amim-pahamarinana; fa hitsentsitra ny harenan’ny ranomasina izy ary ny zava-tsoa miafina ao amin’ny fasika.
20
Ny amin’i Gada dia hoy izy: Isaorana anie izay manome malalaka ho an’i Gada; mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy ka mamiravira ny sandry mbamin’ny tampon-doha.
21
Nizaha izay voaloham-bokatra ho an’ny tenany izy, fa teo ny anjaran’ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin’ny lohan’ny firenena izy, ary araka ny fahamarinan’NY TOMPO no nataony, sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ny Israely.
22
Ny amin’i Dana dia hoy izy: I Dana dia zanaka liona; miantsampy avy ao Basana izy.
23
Ny amin’i Naftaly dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana sy feno ny fitahian’NY TOMPO, mandovà ny andrefana sy ny atsimo ianao.
24
Ny amin’i Asera dia hoy izy: Aoka hotahìna mihoatra noho ny zaza maro i Asera, ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy ka hanatsoboka ny tongony amin’ny diloilo.
25
Ho vy sy varahina ny hidinao; ary hifamatra amin’ny andronao ny fiadananao.
26
Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’Andriamanitra izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, sady mandia ny rahona amin’ny voninahiny.
27
Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ka miteny hoe: Aringano.
28
Mandry fehizay Israely, mitokana irery ny loharanon’i Jakoba ao amin’ny tany be vary sy ranom-boaloboka; eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.
29
Sambatra ianao, ry Israely; iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’NY TOMPO, ampingan’ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao? Hikoy anao ny fahavalonao, ary hitsahinao ny havoanany.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34