bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 32
Deuteronomy 32
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 33 →
1
Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho! Henoy, ry tany, ny tenin’ny vavako!
2
Hirotsaka tahaka ny ranonorana ny fampianarako, ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, ho tahaka ny erika amin’ny ahi-maitso sy ho tahaka ny ranonorana amin’ny anana.
3
Fa ny anaran’NY TOMPO no hotorìko; maneke ny fahalehibiazan’Andriamanitsika.
4
Izy no Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy ka tsy misy ratsy ao Aminy; marina sy mahitsy Izy.
5
Efa lo eo imasony ireny, tsy zanany intsony noho ny kilemany; fa taranaka miolakolaka sady efa nivadika.
6
Moa izany va no havalinareo NY TOMPO, ry firenena adala, tsy misy fahendrena? Tsy Izy va no Rainao izay namorona anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nampiorina anao?
7
Tsarovy ny andro fahiny; saino ny taona, hatrizay hatrizay. Anontanio amin’ny rainao fa hanambara aminao izy; ary amin’ny zokiolona eo aminao koa, fa hilaza aminao izy.
8
Fony nomen’ny Avo Indrindra zaratany ireo firenena ka samy natokantokany ny zanak’olombelona dia notendreny ny sisintanin’ireo firenena araka ny isan’ny Zanak’Israely;
9
fa anjaran’NY TOMPO ny olony, i Jakoba no natokany ho lovany.
10
Nahita azy tany an-tany efitra Izy, dia tany amin’ny tany foana feno feo mierona; nanodidina azy sy niahy azy Izy, ary koa notandremany tahaka ny anakandriamasony,
11
toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ny akaniny ka manomba eo ambonin’ny zanany; dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy ary nitondrany azy teo ambonin’ny elany,
12
NY TOMPO irery no nitondra azy, ary tsy nisy andriamanitra hafa teo aminy.
13
Nampandeha azy teny ambonin’ny havoana amin’ny tany Izy ka nohaniny ny vokatry ny saha; Izy dia nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ny vatolampy sy diloilo avy teo amin’ny vatolampy vatoafo
14
ary koa rononomandrin’omby sy rononon’ondry aman’osy, mbamin’ny tavin’ny zanak’ondry, ondrilahin’i Basana sy osilahy ary vary izay vokatra indrindra; nisotro divay mahery avy tamin’ny ranom-boaloboka mena ianao.
15
Nihanatavy i Jesorona ka namely daka; efa matavy ianao sady vory nofo no vaventy be! Dia nahafoy an’Andriamanitra izay namorona azy izy ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy,
16
nampahasaro-piaro Azy tamin’ny hafa izy ary tamin’ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;
17
namono zavatra ho fanatitra ho an’ny demonia izay tsy Andriamanitra izy dia andriamanitra tsy fantany, fa andriamanitra vao niseho tatỳ aoriana izay tsy natahoran’ny razanareo.
18
Ny Vatolampy izay niteraka anao dia tsy tsaroanao ary hadinonao Andriamanitra izay nahary anao.
19
Nahita izany NY TOMPO ka nandà, noho ny hasosorany tamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
20
Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; ho hitako izay hiafarany; fa firenena tena mpivadibadika izy, dia zaza tsy mahatoky.
21
Ireo dia nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy Andriamanitra sy nampahasosotra Ahy tamin’ny zava-poanany; ary Izaho kosa dia hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy olona sy hampahasosotra azy amin’izay firenena adala.
22
Fa mirehitra ny afon’ny fahatezerako ka mandoro hatrany amin’ny fitoeran’ny maty* any ambany indrindra, sady mandevona ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, ary mampirehitra ny fanambanin’ny tendrombohitra aza.
23
Havangongoko aminy ny loza marobe ary holanìko aminy ny zana-tsipìkako:
24
Hofezahin’ny mosary izy sady holanin’ny areti-mandripaka sy ny fandringanana mangidy ary hampandehaniko aminy ny nifim-biby mbamin’ny poizin’ny biby mpikisaka amin’ny vovoka.
25
Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany ary ao amin’ny efitrano dia ny horohoro, na ny zatovolahy na ny zatovovavy, na ny zaza minono na ny fotsy volo.
26
Fa efa nolazaiko hoe: Hopotehiko izy ka hihahaka; hatsahatro tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny fahatsiarovana azy,
27
raha tsy ny fireharehan’ny fahavalo no natahorako, andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny ka hiteny hoe: Ny tananay no avo; fa tsy NY TOMPO tsy akory no nanao izany rehetra izany.
28
Fa firenena tsy manan-tsaina izy sady tsy manam-pahalalana.
29
Raha mba hendry izy dia hahafantatra izao ka hahafantatra izay ho farany.
30
Hataon’ny olona irery ahoana no fanenjika ny arivo, ary hataon’ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, ary NY TOMPO no efa nanolotra azy?
31
Fa tsy mba mitovy amin’ny Vatolampintsika ny vatolampin’ireny ka fahavalontsika no ho mpitsara.
32
Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok’i Sodoma ary avy ao amin’ny sahan’i Gomora; ny voalobony dia voaloboka mahafaty sady mangidy koa ny sampahony.
33
Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin’ny dragona ary poizina mahery avy amin’ny menarana.
34
Moa tsy voatahiry ato Amiko va izany ka voaisy tombo-kase ato an-trano firaketako?
35
Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, raha avy izay hahasolafaka ny tongony; fa antomotra ny andro hahitany loza ary ho avy haingana ny zava-boatendry hanjo azy.
36
Fa NY TOMPO hanome rariny ny olony ary hanenina ny amin’ny mpanompony, raha hitany fa lany ny heriny ka tapitra avokoa na ny babo, na ny afaka.
37
Ary hiteny Izy hoe: Aiza ireo andriamaniny, dia ny vatolampy izay nialofany,
38
izay nihinana ny jaboran’ny fanatiny ary nisotro ny divain’ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo ary ho fierena ho anareo.
39
Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy ka tsy misy andriamanitra eto akaikiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, ka tsy misy mahafaka amin’ny tanako.
40
Fa manangana ny tanako amin’ny lanitra Aho ka miteny hoe: Raha velona mandrakizay koa Aho,
41
raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, ka voarain’ny tanako ny fitsarana, dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony ary hovaliako ny mankahala Ahy.
42
Hataoko mamon-dra ny zana-tsipìkako, ary ny sabatro dia hihina-nofo, dia ny ran’ny voavono sy ny babo mbamin’ny loha mirakorako volon’ny fahavalo.
43
Ry Jentilisa, hobio ny olony! Fa ny ran’ny mpanompony no hovaliny. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, ary hanao fanavotana kosa ho an’ny taniny sy ny olony.
44
Dia nandeha i Mosesy, dia izy sy i Hosea, zanak’i Nona, ka nilaza ny teny rehetra amin’izany hira izany teo anatrehan’ny olona.
45
Ary nony efa tapitra voalazan’i Mosesy tamin’ny Israely rehetra izany teny rehetra izany
46
dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo mba hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.
47
Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa ity no fiainanareo; ary izao teny izao no hahamaro andro anareo eo amin’ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’i Jordana ianareo.
48
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tamin’izay fotoana izay indrindra hoe:
49
Miakara amin’ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin’ny tany Moaba tandrifin’i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak’Israely ho lovany.
50
Dia ho faty ao amin’ny tendrombohitra izay iakaranao ianao ka ho voaangona any amin’ny razanao, tahaka ny nahafatesan’i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy tany amin’ny razany,
51
satria nivadika Tamiko teo amin’ny Zanak’Israely ianareo tao amin’ny ranon’i Meriba any Kadesy, tany an-tany efitra Zina, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ny Zanak’Israely.
52
Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin’ny tany izay omeko ny Zanak’Israely.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34