bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 19
Deuteronomy 19
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 20 →
1
Rehefa aringan’NY TOMPO Andriamanitrao ny firenena samihafa izay tompon’ny tany omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,
2
dia manokàna tanàna telo eo afovoan’ny taninao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao holovana.
3
Manamboara lalana ka zarao ho telo toko ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao holovanao, fa ao no handosiran’izay rehetra mahafaty olona.
4
Ny nahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia izay nahafaty tsy nahy ny namany ka tsy nankahala azy teo aloha;
5
raha misy olona miaraka amin’ny namany ho any an’ala hanapaka hazo ka manainga ny famaky hikapa hazo ny tanany, ary mitsoaka amin’ny zarany ny lelam-pamaky ka mahavoa ny namany ary mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
6
fandrao hanenjika ilay nahafaty olona ny mpamaly ra, raha mbola mirehitra ny fony ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy satria tsy nankahala ny namany talohan’ny nahafatesany azy.
7
Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo.
8
Ary raha hitarin’NY TOMPO Andriamanitrao ny faritry ny taninao, araka izay nianianany tamin’ny razanao ka homeny anao ny tany rehetra izay nampanantenainy homena ny razanao,
9
raha mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra andidiako anao anio izao ianao sady ho tia NY TOMPO Andriamanitrao, no handeha mandrakariva amin’ny lalany, dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;
10
mba tsy hisy ran’ny tsy manan-tsiny halatsaka eo amin’ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ho lovanao ka tsy ho meloka amin’ny ra ianao.
11
Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manao vela-pandrika aminy, ary mitsangana hamely mahafaty azy, nefa mandositra ho ao amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo,
12
dia haniraka haka azy ao ny loholona amin’ny tanànany ka hanolotra azy eo an-tanan’ny mpamaly ra, mba hovonoina ho faty izy.
13
Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin’ny Israely ny heloka amin’ny ran’ny tsy manan-tsiny mba hahita soa ianao.
14
Aza manakisaka ny faritry ny tanin’ny namanao, izay efa vitan’ny razana teo amin’ny zarataninao, izay azonao eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao holovanao ianao.
15
Raha vavolombelona iray monja dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona amin’izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.
16
Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao izay ratsy
17
dia hitsangana eo anatrehan’NY TOMPO izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan’ny mpisorona sy ny mpitsara amin’io andro io;
18
ary raha hadinin’ny mpitsara mafy izy ireo ka hitany fa vavolombelona mandainga ilay miampanga ny namany
19
dia araka izay nokasainy hatao amin’ny namany no hataonareo aminy; fa hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
20
Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao tahaka ireny ratsy ireny eo aminao intsony.
21
Fa tsy hiantra azy ny masonao; ary aina no hataonao solon’ny aina, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tanana solon’ny tanana, tongotra solon’ny tongotra.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34