bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 22
Deuteronomy 22
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 23 →
1
Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin’ny rahalahinao dia aza jerem-potsiny izany, fa tsy maintsy averinao any amin’ny rahalahinao mihitsy izy ireo.
2
Raha tsy akaiky anao na tsy fantatrao ny rahalahinao dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra ao aminao mandra-pitadin’ny rahalahinao azy ka hamerenanao azy.
3
Toy izany koa no hataonao amin’ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza jerem-potsiny.
4
Raha hitanao potraka any an-dalana ny borikin’ny rahalahinao, na ny ombiny, dia aza jerem-potsiny; fa ampio ny rahalahinao hanarina azy.
5
Aoka tsy hanao fitafian-dehilahy ny vehivavy ary aoka tsy hanao fitafiam-behivavy ny lehilahy fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ny olona rehetra izay manao izany.
6
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin’ny efa foy na mbola atodiny, ary ny reniny dia manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny miaraka amin’ny zanany.
7
Tsy maintsy alefanao ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao mba hahita soa ianao ka ho maro andro.
8
Raha manorina trano vaovao ianao dia asio arofanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera avy eny ka hahatonga heloka ny amin’ny ra ho ao an-tranonao ianao.
9
Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao miara-tonga zava-masina ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.
10
Aza ampiarahina miasa tany ny omby sy ny boriky.
11
Aza mitafy lamba volon’ondry sy rongony mifamahofaho.
12
Asio vona ny zorony efatra amin’ny lambanao izay tafinao.
13
Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy ka tsy tiany indray Ravehivavy,
14
fa sady haratsiny sy alàny baraka no ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijiny,
15
dia halain’ny ray aman-drenin-dRazazavavy ny famantarana azy ho virijiny ka hoentiny ho eo amin’ny loholona ao amin’ny tanàna eo am-bavahady.
16
Ary hiteny amin’ny loholona ny rain-dRazazavavy hoe: Ny zanako vavy dia nomeko ho vadin’io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray;
17
ary indro efa noharatsìny ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao vavy ho virijiny; kanefa indreto ny famantarana ny zanako vavy ho virijiny. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan’ny loholona amin’ny tanàna izy mivady.
18
Ary halain’ny loholona ao amin’ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaiziny.
19
Dia hosaziny sekela volafotsy zato koa izy, homena ny rain-dRazazavavy, satria nahafa-baraka ny virijiny iray tamin’ny Israely Ralehilahy; nefa ho vadiny ihany Razazavavy ka tsy azony isaorana amin’ny andro rehetra iainany.
20
Fa raha marina kosa izay nolazainy ka tsy hita ny famantarana an-dRazazavavy ho virijiny
21
dia havoakany ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranon’ny rainy Razazavavy ka hotorahan’ny mponina ao amin’ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin’ny Israely izy ka nijangajanga tao an-tranon’ny rainy; dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy amin’izay.
22
Raha misy lehilahy fantatra fa mandry amin’ny vehivavy vadin’olona dia samy hovonoina izy roa, na Ralehilahy izay nandry tamin-dRavehivavy, na Ravehivavy; satria hofongoranao tsy ho eo amin’ny Israely ny fanao ratsy.
23
Raha misy zazavavy virijiny voafofo ho vadin’olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
24
dia havoakanareo ho eo amin’ny vavahadin’izany tanàna izany izy roa ka hotorahanareo vato ho faty: Razazavavy moa, satria tsy niantso vonjy nefa tao an-tanàna ihany; ary Ralehilahy kosa, satria nandry tamin’ny vadin’ny namany; dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
25
Raha any an-tsaha kosa no ahitan-dRalehilahy an-dRazazavavy voafofo ho vadin’olona, ary misavika azy Ralehilahy ka mandry aminy, dia Ralehilahy izay nandry taminy ihany no hovonoina.
26
Fa Ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona satria tsy misy ota tokony hahafaty azy; tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy izany
27
satria tany an-tsaha no nahitany azy, ary niantso vonjy ihany Razazavavy voafofo ho vadin’olona, nefa tsy nisy namonjy azy.
28
Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijiny izay tsy voafofo ho vadin’olona ka misavika azy sady mandry aminy, koa tratra izy roa,
29
dia hanome sekela volafotsy dimampolo ho an’ny rain-dRazazavavy Ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy satria efa nosavihiny sady nandriany ka tsy azony isaorana izy amin’ny andro rehetra hiainany.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34