bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 30
Deuteronomy 30
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 31 →
1
Rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ny firenena rehetra izay androahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao ianao
2
ka miverina amin’NY TOMPO Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
3
dia hampodin’NY TOMPO Andriamanitrao avy amin’ny fahababoanao ianao; ary hamindra fo aminao izy ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra izay nampielezan’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
4
Raha misy aminao voaroaka any amin’ny faravodilanitra dia avy any no hanangonan’NY TOMPO Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hitondrany anao.
5
Dia hampidirin’NY TOMPO Andriamanitrao ao amin’ny tany izay nolovain’ny razanao ianao ka ho lovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.
6
Dia hoforan’NY TOMPO Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao hitiavanao NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, mba ho velona ianao.
7
Hataon’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fahavalonao sy izay mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
8
Dia hihaino ny feon’NY TOMPO indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra izay omeko anao anio.
9
Ary hataon’NY TOMPO Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin’izay hahasoa anao, dia amin’ny asan’ny tananao sy ny ateraky ny kibonao ary ny ateraky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao. Fa ho faly aminao indray NY TOMPO ka hanasoa anao, araka izay nampifaliany ny razanao,
10
raha mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao, amin’ny fitandremanao ny didiny sy ny lalànany, izay voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity, ka miverina amin’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.
11
Fa izao lalàna izao, izay omeko anao anio, dia tsy saro-pantarina ho anao sady tsy lavitra.
12
Tsy any an-danitra izany ka hitenenanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?
13
Ary tsy any andafin’ny ranomasina ihany koa ka hitenenanao hoe: Iza no hankany andafin’ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?
14
Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.
15
Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza.
16
Tamin’ny nandidiako anao androany dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ka handeha amin’ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalànany mbamin’ny fitsipiny. Mba ho velona ianao sady hihamaro, ary mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana.
17
Fa raha mivily kosa ny fonao ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa sy hanompo azy,
18
dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an’i Jordana ianareo.
19
Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
20
dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao, homena azy.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34