bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 5
Deuteronomy 5
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 6 →
1
Niantso ny Israely rehetra i Mosesy ka niteny taminy hoe: Ry Israely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio dia ianaro ireo, ary tandremo ny fankatoavana azy.
2
NY TOMPO Andriamanitsika dia nanao fanekena tamintsika tany Horeba;
3
tsy tamin’ny razantsika no nanaovan’NY TOMPO izany fanekena izany fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto anio.
4
Niteny nifanatrika taminareo NY TOMPO avy tao afovoan’ny afo tao an-tendrombohitra.
5
Nitsangana teo anelanelan’NY TOMPO sy ianareo aho tamin’io andro io, hanambara aminareo ny tenin’NY TOMPO, satria natahotra noho ny fahitana ilay afo ianareo dia tsy niakatra tao amin’ny tendrombohitra ka hoy Izy:
6
Izaho no TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana.
7
Aza manana andriamanitra hafa fa Izaho ihany.
8
Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na izay mety ho endriky ny zavatra any amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany.
9
Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy,
10
nefa kosa mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
11
Aza manonona foana ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao; fa tsy hataon’NY TOMPO ho afa-tsiny izay manonona foana ny anarany.
12
Tandremo ny andro Sabata mba hanamasinana azy, araka izay didy nomen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
13
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
14
Fa Sabatan’NY TOMPO Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan’ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao tahaka anao koa.
15
Tsarovy fa andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao ka tanana mahery sy sandry natsotra no nitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
16
Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’ny TOMPO Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho anao.
17
Aza mamono olona. Aza mijangajanga. Aza mangalatra. Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
18
Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao; aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao, na ny taniny, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza.
19
Ireo teny ireo no nolazain’NY TOMPO tamin’ny feo mahery avy tao afovoan’ny afo sy ny rahona ary ny haizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, dia tsy nampiany intsony; fa nosoratany tamin’ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
20
Rehefa nandre ilay feo avy tao amin’ny haizina ianareo, raha mbola nirehitra afo iny ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ny lehiben’ny fokonareo rehetra sy ny loholonareo
21
ka nilaza hoe: Indro, efa nampahitan’NY TOMPO Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin’ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin’ny olona nefa velona ihany ireo olona ireo.
22
Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? Fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon’NY TOMPO Andriamanitsika indray izahay dia ho faty.
23
Fa iza tamin’ny nofo rehetra moa no efa nandre ny feon’Andriamanitra velona niteny avy tao afovoan’ny afo, tahaka antsika, kanefa velona ihany?
24
Manatòna ianao ka mihainoa izay rehetra holazain’NY TOMPO Andriamanitsika; ary ianao no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain’NY TOMPO Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany.
25
Nandre ny teninareo NY TOMPO, raha niteny tamiko ianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin’ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra voalazany.
26
Enga anie ka hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany mandrakariva ny didiko rehetra, mba hahita soa mandrakizay izy sy ny taranany!
27
Mandehana ka lazao aminy hoe: Miverena ianareo any an-dainareo.
28
Fa ianao kosa, mijanòna eto anilako ka holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay hampianarinao azy mba harahiny any amin’ny tany izay omeko azy ho lovany.
29
Koa mitandrema mba hahatanteraka araka izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia;
30
fa ny lalana rehetra izay nampandehanan’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin’ny tany izay holovanareo.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34