bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 11
Deuteronomy 11
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 12 →
1
Tiava NY TOMPO Andriamanitrao ka tandremo mandrakariva izay asainy hotandremana, dia ny lalànany sy ny fitsipiny ary ny didiny.
2
Aoka ho fantatrao anio, fa izaho dia tsy miteny amin’ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan’NY TOMPO Andriamanitrareo, ny fahalehibiazany, ny tanany mahery, ny sandriny natsotra,
3
ny famantarana nataony, ny asany izay nataony tany Ejipta tamin’i Farao, mpanjakan’ny Ejipta, sy ny taniny rehetra,
4
ary izay nataony tamin’ny miaramilan’ny Ejiptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin’ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo izy dia voaringan’NY TOMPO mandraka androany;
5
izay nataony taminareo tany an-tany efitra, hatramin’ny nahatongavanareo teto amin’ity toerana ity;
6
izay nataony tamin’i Datana sy i Abirama, zanak’i Eliaba, zanak’i Robena, teo amin’ny Israely rehetra, dia ilay nisokafan’ny tany sy nitelemany azy mbamin’ny ankohonany sy ny tranolainy ary ny zavamananaina izay nomba azy;
7
fa efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon’NY TOMPO ny masonareo.
8
Koa tandremo ny lalàna rehetra izay omeko anareo anio, mba hahery ianareo, ka hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana,
9
ary mba ho maro andro ianareo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.
10
Fa ny tany izay hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta, izay nialanareo, izay namafazanao voan-javatra sy nandeman’ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolena anana.
11
Fa ny tany izay halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin’ny ranonoran-danitra,
12
ary tany izay tandreman’NY TOMPO Andriamanitrao; fa ny mason’NY TOMPO Andriamanitrao dia mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny fiafarany.
13
Koa raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia NY TOMPO Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo,
14
dia halatsako eo amin’ny taninareo amin’ny fotoanany ny ranonorana, dia ny lohaorana sy ny faraorana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;
15
ary hampaniriako ahitra ho an’ny biby fiompinao ny sahanao, dia hihinan-kanina ianao ka ho voky.
16
Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo ka hivily hanompo andriamanitra hafa sy hiankohoka eo anatrehany;
17
fa hirehitra aminareo ny fahatezeran’NY TOMPO ka hanampina ny lanitra Izy, ary tsy hisy ranonorana, sady tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana haingana tsy ho eo amin’ny tany soa izay omen’NY TOMPO anareo ianareo.
18
Koa alatsaho ao amin’ny fonareo sy ao amin’ny fanahinareo izao teniko izao, fehezo ho famantarana eo amin’ny tananareo, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinareo;
19
ampianaro ny zanakareo izany ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha;
20
ary soraty eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao izany;
21
mba ho maro toy ny faharetan’ny lanitra ambonin’ny tany ny andronareo sy ny andron’ny taranakareo eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo homena azy.
22
Fa raha mitandrina tsara izao lalàna rehetra izay omeko anareo izao ianareo ka manaraka azy ary ho tia NY TOMPO Andriamanitrareo sy handeha eo amin’ny lalany rehetra ary hifikitra aminy
23
dia horoahin’NY TOMPO eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo dia haharesy firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianareo.
24
Ny tany rehetra izay hodiavin’ny faladian’ny tongotrareo dia ho anareo: Hatreo amin’ny tany efitra sy i Libanona ary hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny ranomasina andrefana no ho faritaninareo.
25
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’NY TOMPO Andriamanitrareo azon’ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
26
Indro aho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio:
27
Fitahiana, raha hohenoinareo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo izay omeko anareo anio;
28
nefa ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin’ny lalana izay asaiko andehananareo anio ianareo ka hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo.
29
Rehefa entin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ny tany izay alehanao holovana, dia fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizima ary fanozonana kosa raha eo an-tendrombohitra Ebala.
30
Tsy any andafin’i Jordana va ireo tendrombohitra ireo, any ankoatra ny lalana andrefana, amin’ny tanin’ny Kananita, izay monina ao amin’ny tany ngazana tandrifin’i Gilgala, eo anilan’ny hazo terebinta* n’i More?
31
Fa efa handeha hita an’i Jordana ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo; handova azy ianareo ka honina ao.
32
Koa tandremo ny fanarahanareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34